airtel

Politique

03-févr-2025

Rajoelina hanao tosika fitsaboana any RDC

Ny eto maty ringan’ny aretina sy fahantrana tsy hita…

Sample post image

Namafisina tamin’ny serasera ofisialin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny omaly 2 febroary,

03-févr-2025

fa hanao tosika ara-pitsaboana any RD Congo ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny mpitsabo miaramila voaofana sy manana traikefa miaraka amin'ny fanafody hamonjena ireo maratra sy ireo voatery nifindra toerana no nambara fa halefa any. Any amin'ny faritra misy fifandonana mahery vaika eo amin'ny tafika kôngôley sy ny vondronmpioko mitam-piadiana io. Tao anatin’ny tatitry ny fihaonambe tsy ara-potoanan’ny SADC izay nisy andininy 21, dia anisan’ny tafiditra tao ny fisaorana ny Repoblikan’i Madagasikara noho io fampanantenana tosika ara-pitsaboana io. Raha tsiahivina kely, efa hatrany amin’ny 1998 no nafana io fifandonana tao RDC io ary efa nahafatesan’olona 6 tapitrisa. Niverina ny herisetra nanomboka ny 2021, ary izao mangotraka izao aty amin’ny 2025. Efa tafakatra 700 mahery indray ny maty, ary 2800 ny maratra ankehitriny. Tany manan-karena harena an-kibon’ny tany toy ny volamena sy diamondra i RD Congo ka heverina fa tafiditry ny kajikajy ara-jeopolitika goavana ny rotaka sy ady lava tsy misy fiafarany. Amin’ny maha filoha handray ny fitantantana ny SADC ahy dia mandrafitra ny Troïka i Madagasikara sy Angola ary Zimbabwe, hoy moa ny seraseran’i Andry Rajoelina nialohan’io fihaonan’ny SADC. Zava-dehibe ny fanehoana fanohanana sy firahalahiana, saingy sady mampihomehy no mahamenatra saingy asa na mba tsapa sy ren’ny mpitondra ny fihomehezana sy fanesoana ataon’ny vahoaka eo anatrehan’ny fihetsiny. I Madagasikara miaina ao anaty olana tsy tambo isaina, na ny CSB eto aza betsaka no tsy tsizarizary, ny olona aty tsy voatsabo fa betsaka no mitsipozipozy sy miandry fahafatesana noho ny fahantrana lalina, delestazy goavana mamono ny toekerana, tsy fananan’asa, tsy fandriampahalemana faran’izay mampivarahontsana na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra,… ka ny eto sanatria tsy hita sy avela ho faty, fa ny any ivelany idododoana. Mbola ambana goavana maro ny resaka ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mety ho tapaka any Atsimon’ny Nosy, ny tetikasa famatsiana rano,… noho ny fepetra raisin’ny Amerikanina, saingy tsy rototra ny mpitondra. Tena ataon’ny olona fihomehezana eny amin’ny tambajotran-tserasera ka misy mihitsy ny miteny hoe : « Toy ny saka manao maloto ka ny maloto totofana, fa ny fitombenana maloto ». Tahaka ny Firenena efa mandroso be sy manontany ny ory hampiana i Madagasikara raha ny fihetsiky ny mpitondra. Marihina anefa fa ny Filohan’i Angola Joao Manuel Gonçalaves nosokajiana ho tompondakan’ny fandriampahalemana sy fampihafavanana aty Afrika izay voatendry ho mpanelanelana ity toe-draharaha any RD Congo sy ny lonilony amin’i Rwanda ity aza tsy tonga nanatrika ny fihaonana tany Zimbabwe, fa ny Ambasadaorony sy Minisitry ny atitaniny no nalefany. Ny mpitondra antsika anefa tsy maharay lamba ka asa mba manao propagandy ho an’ny Kandida Filohan’ny Kaomisionin’ny Vondrona Afrikanina Atoa Richard Randriamandranto izay nentina nanakanana ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ve ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap
11-juin-2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

Card image cap
11-juin-2025

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
11-juin-2025

Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,

Card image cap