airtel

Politique

09-févr-2026

Rajoelina, mbola misandoka ho

Filohan’i Madagasikara Nomelohan'ny Fitondrana

Sample post image

Malagasy mafy ny fihetsik'i Eswatini

09-févr-2026

Manomboka mitady hirika mafy amin'ny kajikajy politika hiverenany eto Madagasikara na hamelezany ny fitondrana mijoro ara-dalàna eto Madagasikara i Andry Rajoelina, efatra volana taorian'ny fitsoahany an'i Madagasikara. Nihaona tamin'ny mpanjakan'i Eswatini Mwasti III, nambara fa fitsidihana ofisialy, ary tao anatin'ny lahateny fampidirana nataon’ny deputy Prime Minister aza dia "His excellency president Rajoelina of Madagascar, chairman of SADC" na Filohan'i Madagasikara sady Filohan'ny SADC no nilazana azy izany hoe io ny "titre" na anjara toerany heverina fa nalefa tany amin'ny arofenitea matoa izay no nambara tao anaty lanonam-pandraisana ofisialy, fa tany anatin'ny pejin-tserasera ofisialin'ny Governemantan'io Fanjakana io vao novaina hoe: "Former president of Madagascar" na Filoha teo aloha. Mbola nosokajiana ho na nisora-tena ho Filoha izany i Andry Rajoelina izay efa nitsoaka an'i Madagasikara, izay nambaran’ny HCC mazava ny 14 oktobra 2025 ny fahabangan-toerany, ka nangatahan’ny HCC handray ny Firenena ny Kolonely Randrianirina Michael. Nisy izany ny fisandohana andraikitra sy fahefana raha raisina amin'io.
NITONDRA FANAMELOHANA NY FANJAKANA MALAGASY
Tsy niandry ela, fa namoaka fanamelohana hentitra teo nanameloka tanteraka ny fandraisana ara-pomba ofisialy nataon'ny Fanjakan'i Eswatini an-dRajoelina, filoha teo aloha izay tsy eo amin'ny fitondrana eto Madagasikara intsony. Fihetsika manitsakitsaka ny fiandrianam-pirenen'ny Fanjakana malagasy ary manao tsinontsinona ny hasin'ny vahoaka malagasy, izay niaritra fahoriana sy very zo fototra nandritra ny fitondran'i Andry Rajoelina ka nanala azy tamin'ny toerany. "Amin'ny maha Fanjakana manana ny fiandrianany an'i Madagasikara dia tsy afaka hanaiky velively ny hanomezana sehatra ara-diplaomatika ny olona iray efa iharan'ny didy fampisamborana iraisam-pirenena.", hot ny Fanambarana. Notsiahivina fa tsy manana ny zom-pirenena malagasy intsony i Andry Rajoelina noho izy nisafidy an-tsitrapo zom-pirenena vahiny. Tsy ara-dalána ary tsy azo ekena ny endrika fanomezana vahana azy amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Notsipihina, fa manan-danja loatra izao toe-draharaha izao noho izy nitondra ny Fanjakana ka nibaiko ny herim-pamoretana tamin'ny septambra sy ôktóbra 2025 izay nahafatesana olom-pirenena malagasy an-telopolony. Ireo tranga ireo dia mijanona ho ratra lalina ao anatin'ny tantaram-pirenena. Tsy azo odian-tsy hita ny ra latsaka sy ny sorona nataon'ny tanora malagasy mba hanala an'i Andry Rajoelina teo amin'ny fitondrana, hoy hatrany ny fanambarana. Nomaarihina fa miroso amin'ny fametrahana ny filaminana sy ny fitoniana eto amin'ny firenena i Madagasikara ankehitriny ary manao ny ezaka rehetra hampiverina amin'ny laoniny ny fampihavanam-pirenena, indrindra amin'ny alalan'ny fikaonan-doham-pirenena. Ezaka izay efa nohamarinin'ny iraka avy amin'ny SADC. Ity fihetsika nataon'ny Fanjakan'i Eswatini ity anefa dia endrika fanakorontanana sy fanelingelenana izany ezaka izany. Amin'izao hodidina izao, ny fandraisan'i Eswatini an'i Andry Rajoelina dia nosokajiana ho faniratsirana ny vahoaka Malagasy tamin'ny ra latsaka sy fanimbazimbana ny fahatsiarovana ireo maty sy nanao sorona ny ainy hanavotana ny hasin'ny firenena. Noho izany, nandefa taratasy any amin'ny SADC sy any amin'Andriamatoa Filoham-pirenen'i Afrika Atsimo, Cyril Ramaphosa, ny Fanjakana malagasy mba hampahafantarana azy ireo ny ahiahy lehibe sy ny tsy fankasitrahan'i Madagasikara an'io fihetsiky ny fanjakana Eswatini io.
TSY TONGATONGA HO AZY...
Taorian'ity fihaonana ity, nanao antso ho amin’ny famerenana avy hatrany ny filaminana ara-dalàna sy ny rafitra araka ny lalàmpanorenana ao Madagasikara io mpanjakan'i Eswatini io, izay ho filoha vaovao mitarika ny Troïka an’ny SADC misahana ny politika, fiarovana ary filaminana. Asa raha tena mahalala ny zava-nitranga ara-politika teto Madagasikara ? Tsara ny mampahatsiahy fa isan'ny nivoitra tao anatin'ny Fanambaran'ny fivoriana an-tampon'ireo Filoham-panjakana anatin'ny SADC ny 17 desambra 2025 ny famerenana ireo sesin-tany politika, handray anjara amin'ny dinika eto amin'ny Firenena. Mitady hirika mafy amin'io i Andry Rajoelina ary mitady fialofana mafy amin'ny SADC hanao ny fomba famerenana azy eto sy ho afa-maina. Marina fa tsy afaka miala amin'ny Iraisam-pirenena isika fa manana ny fiandrianany i Madagasikara, ka tsy ny rafitra tahaka itony no tokony hanao adisisika hamerenana mpitondra jadona, mpamono olona, nambotry Firenena,... Tsy resaka tahotra ny fiverenan-dRajoelina fa ny antony tokony hiverenany eto dia fanefana ny saziny. Asa ririnin-dasa tsy tsaroana tokoa ny teniny (Rajoelina 2009-2010), raha nikasa hody teto ny Filoha naongany dia i Marc Ravalomanana hoe: "Teo amin'ny heriny aza izy, teoam-pelatanany ny fahefana, teo am-pelatanany ny fitondrana, nitsoaka nalefa izy,... Ka ankehitriny ve mbola sahy hitolo-batana hiverina eto Madagasikara! Olona meloka izy raha miverina eo, misy mitantana eto, handray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana,... ary izahay aza manana eritreritra haka azy any Afrique du Sud mihitsy". Dia andrasana raha sahy hiverina eto i Andry Rajoelina...
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap