Raha ny hevitro manokana, hoy ity mpanao politika ity, dia tokony samy hanatanteraka ny praograma efa nofaritany avy izy ireo ka ny kandida n°25 dia hijery manokana an’ireo mpianatra sy ireo tantsaha tena mankamamy azy sy ny praogramany ary ny kandida n°13 dia hanatanteraka ny praograma aty antanan-dehibe amin’ny hetahetam-pandrosoana mamiratra nolazainy. Azon’izy ireo atao tsara raha ny hevitro, hoy ny filohan’ny antoko Grad Iloafo, ny miaraka manatanteraka an’izany.
Ntsoavina Evariste