Ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ho an-dRandriantsoa Jimmy, Ben'ny tananan'ny kaominina Alasora no zavatra sarotra sy mafy indrindra ho an'ny fitondrana fanavaozana sy ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara na ny FFKM. Tsy mora ny manatontosa izany hoy izy ka aleo aloha hampitovy tadin-dokanga ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny mba tsy ho sanatria zavatra efa vonona no haroso amin'izany fa tena avy amin'ny vahoaka marina. Takiana koa hoy izy ilay toe-tsaina mahay miatrika fikaonandoham-pirenena mba hahatrarana ny tanjona. Notsiahiviny manokana fa tsy tokony ho ady hevitra be intsony na fifamaliana no ho hita ao anatin'ny fikaonandoham-pirenena fa fijerena izay rafitra mety sy hitondrana ny firenena. Ho an'ny vahoaka tsy mandady harona hoy izy dia inoana fa ireto zavatra maro loha ireto no tena katsahin'izy ireo fatratra ary handrandrainy ho hita sy tsapa eo amin'ny fiainany. Afaka mampiana-janaka izy ireo, afaka mitsabo tena raha sanatria ka tokony tsy fahasalamana, manana asa mahavelona, milamina ny fandriampahalemana, foanana ilay elanelana goavambe misy eo amin'ny mpanan-karena sy ny mahantra ary farany izay tsy kely akory dia ireo sahirana mba afaka misondrotra ny fari-piainany nefa ireo mpanan-karena tsy hohampahantraina ihany koa.
Pati
Légende : Izy no Randriantsoa Jimmy, Ben'ny tananan'ny kaominina Alasora !