fanoherana notarihin-dry Baba Rakotoarisoa ny tenin-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy tamin’ny 2016 mikasika ny delestazy nilazana fa mpandainga ny mpitondra tamin’izany, nampanantena kanefa tsy nahavita,... Izy izay nilaza tamin’izany fotoana fa mba hidina eny Ambohijatovo ihany koa izy, tokony halalaka ny fanehoan-kevitra, fa tsy midika fanonganam-panjakana. Raha nambara fa mpandainga i Hery Rajaonariampianina, moa tsy mpandainga mety tsy latsaky ny avo 5 heny angamba i Andry Rajoelina raha ireo fampanantenana poakaty zavon-tany mikasika ny delestazy, raha tsy hilaza afatsy ny 400MW, afaka 6-8 volana, tsy tokony hisy delestazy intsony amin’ny herintaona,… ? Omaly, nanameloka ny fizoran’ireo mpanolotsaina monisipaly tao Anosikely izay lapa mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ity loholona ity. Nanamafy izy fa melohiny tanteraka ny fidirana an-keriny sy ny hetsika tsy nahazoana alalana teo amin’ny Antenimierandoholona, izay andrim-panjakana manan-kaja. Notsindriany fa heloka amin’ny lalàna izany fihetsika izany, satria na tranon’olon-tsotra aza dia tsy azo idirana tsy misy alalana. Nisy fiheverana toy izay ve tamin’ny 2009 ? Nampitahainy amin’ny fahazazany ny fihetsiky ny mpanohitra, izay heveriny fa mitady fanampiana amin’ny “mersenera” rehefa mahatsapa ho « faible » na malemy. Miaiky, hoy izy, ny mpanohitra fa i Lalatiana Rakotondrazafy no mahavita mitarika olona, ka nilazany fa zavatra hafa no hain’ny andaniny tarihina fa tsy olona. Ny olom-boatendry tsy voafidim-bahoaka izany aloha eto no manome lesona fa mahatarika olona noho ny olona lany tamin’ny fifidianana ? Nanamaivana Rtoa Lalatiana fa olona telo monja no teo amin’ny hetsika, ka tsy tokony hatao resabe. Mikasika ny delestazy sy resaka rano, lazainy fa samihafa ny tamin’ny 2016 sy izao satria tsy nirototra nitady vahaolana mihitsy ny mpitondra tamin’izany. Efa misy ny lamina mipetraka ary efa manomboka ny asa (parcs solaires, groupes électrogènes....) efa miandry ny fahavitany, efa miainga ny « appel d’offre international », hanoloana ny fatson-drano 64 km eto Tana ville, efa misy ny programa maty paika hamahana olana, raha ny filazany. « Raha manara-baovao ny mpanohitra dia mahalala tsara an’izany, fa izy ireo anie ka manakorontana mitady mafy tranga toa an’i « Népal » eto Madagasikara e, dia izaho ve no ho azony amin’izany na hanonofy aza », hoy ny valin-kafatr’ity loholona ity. 2016 ny resaka, adin’ny roa ny delestazy, 9 taona aty aoriana adin’ny 4 raha kely ary miverina in-droa na in-telo. Nanao inona ny Fanjakana Rajoelina tao anatin’ny 7 taona ? Tena namaha olana ve ? Inona no tsy nahavitany ny tetikasa Volobe sy Sahofika natomboky ny HVM? Jamba sy adala ny rehetra mahatsapa vao mainka zava-doza ny delestazy ?
Toky R
Mikasika ny delestazy sy ny olana amin’ny rano, nanambara Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, fa mitaky vahaolana amin’ny fitondrana izy hatrany. Nohazavainy fa tamin’ny 2016, tsy nirototra ny mpitondra nitady vahaolana, fa amin’izao fotoana izao kosa dia efa misy lamina mipetraka: parcs solaires, groupes électrogènes, ary efa manomboka ny asa. Mikasika ny rano, efa miainga ny appel d’offre iraisam-pirenena hanoloana ny tuyaux 64 km eto Antananarivo.
Nampanantena izy fa hanara-maso ny fanatanterahana izany, ary nambarany fa tsy misy antony intsony hidinana an-dalambe satria mazava ny lalana. Raha manara-baovao ny mpanohitra dia tokony ho mahalala izany. Fa ny mpanohitra kosa, hoy izy, mitady mafy tranga tahaka an’i “Népal” eto Madagasikara. Nohamafisiny fa tsy ho azon’ny mpanakorontana izy amin’izany, na hanonofy aza.
« Ilay raha izany ohatran’ilay tamin’ny mbola kely ireny rehefa mahatsapa ianao hoe « faible » dia miantso « mersenera » hoe avia tariho na ampio izahay hanao an’izao sy izao. Na izany aza tsipihako tsara fa melohiko ny fidirana an-keriny sy ny fanaovana hetsika tsy nahazoana alalana teo am-baravaran’ny Antenimierandoholona, lapam-panjakana io, andrim-panjakana io ka tsy hanaovana barofo tahaka izany. », hoy ity Loholona ity. Heloka eo anatrehan’ny lalàna manan-kery izany satria manana ny satany ny lapam-panjakana tahaka an’io. Na ny tranon’olon-tsotra aza tsy azo idirana fahatany tsisy alalana izany. Nisy firesahana tahaka izany ve tamin’ny 2009 ? Ankoatra io, nambarany fa miaiky ny mpanohitra fa i Lalatiana no mahatarika olona, na izy ireo aza izany hanaraka raha izaho no mitarika, hoy izy. Nambarany fa mitarika zavatra no tena hain’ilay mpanolotsain’ny tanàna (Baba Rakotoarisoa raha raisina) amin’ny firesany. Iny ihany no hitako mety aminy fa ilay mitarika olona kosa tena tsy kapoakany koa olona 3 anie izy ireo no mba teo e ! hoy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy nanamaivana.