an'izany ihany koa ny tao amin'ny fitsarana miady amin'ny fanjakana saingy tsy afaka nanohatra izy ireo noho ny baiko sy tsindry natao taminy, hoy ny Antoko TIM tarihin’i Marc Ravalomanana omaly. « Manaja lalàna hatramin’ny farany dia ho hitantsika eo ny hatao, mbola tsy tapitra teo, mbola afaka mangataka fandravana mikasika ny fifidianana hosoka. Hametraka fitoriana amin’ny Filankevi-panjakana. Vitan-dry zalahy ny manatsimbadika. Betsaka ny firaisankina amin’ireo kandida tsy miankina. Fitondrana « terroriste » no eto ka tsy hijanona hatreo isika », hoy io Filoha teo aloha io. Tsy hankato mihitsy isika, ny vondrona hafa, ny antoko hafa efa samy naneho ny heviny, anjaran’ny Tribonaly misahana ady amin’ny Fanjakana TAF no mampita ihany koa ny dosien’ireo nanao hosoka any amin’ny ady heloka, hoy hatrany i Marc Ravalomanana naneho fa nolazaina rahateo ny hoe : nisy ny hosoka tamin’ny fandikana Fitanana an-tsoraka na PV. Nambarany fa rehefa tsy ny TAF dia hanao izy ireo. Tokony hatao ny fanadihadiana an’ireo nanao hosoka, ary tokony hosaziana araka ny lalàna. Nanamafy ny mpitarika ny TIM fa tsy hisy intsony fifidianana araka ny rariny sy hintsiny, fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika,… Nisy ireo zandary izay voalaza fa nalefa nifidy tamin’ny toerana tsy tokony hifidianany, ka tokony hatao ny fanadihadiana hoe : iza avy, izay no mpaniraka,… Nilaza fa hitory sy tsy hamela raha tsy hita ny tena marina ity Filoha teo aloha ity. Mbola manantena rirany sy rariny amin’ny resaka fitoriana ve ny TIM manokana ? Tsara ny mampahatsiahy fa voatsipaka avokoa ny fitorian’ireo antoko rehetra nifanehitra tamin’ny IRMAR teto Antananarivo ary saika izay ny ankamaroany manerana ny Nosy ? Na hivavaly aza mety mbola ho ela ny fanapahan’ny Filankevi-panjakana ka inona no mety ho sary politika hitranga ato ho ato ? Nambaran’ingahy Marc Ravalomanana fa samy nahatsapa ny mpiara-dia hatramin’izay fa tsy nety ilay fivakisana. Nolazainy fa samy manana ny hambo-pony, tsy mitovy ny tombotsoa, misy ny te hahazo vola, misy te hahazo fahefana, misy te hahazo vola, misy te hampandroso,… fa izao samy mahatsapa fa potika ny Firenena ary mahantra ny vahoaka Malagasy. Efa mandeha izao ny hoe : andao indray hiverina, dia ho hitantsika eo indray, hoy i Marc Ravalomanana. Ny sary mitranga ankehitriny aloha, dia maneho sy manamafy fa mila aim-bao sy rivo-baovao ny tontolon’ny fanoherana eto Madagasikara, ary betsaka ireo herivelona eto no maneho izany.
Toky R
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia
Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny
Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,
Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,