airtel

Politique

11-mai-2026

Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

Sample post image

ara-pahefana sy ara-bola no mampandroso »

11-mai-2026

Manao ranolava ny fanehoan-kevitry ny olompirenena sy ny mpanao politika amin'izao ankatoky ny fikaonandoham-pirenena ho amin'ny Fanavaozana izao. Re miverimberina ao anatin'izany ny fanavaozana rafitra, fanavaozana ny fanao politika, ... Ho an'i Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel, filohan'ny antoko politika Fitambolagnela IAD indray dia nisintona ny sain'ny rehetra izy fa mba hisian’ny fampandrosoana maharitra eto amin'ny firenena dia "mila mametraka rafitra ahafahan’ny olona tsirairay mandray anjara, tsy misy avakavahana, mitondra ny anjara birikiny amin'ny ny asa fampandrosoana". Koa na inona ny rafi-fanjakana tiana hapetraka na inona, hoy ity Ambasadaoro taloha tany Libia ity "ny zava-dehibe hahombiazana dia ny fametrahana aty ifotony (Kaominina ) ny fitsinjarana ara-pahefana sy ara-bola, izay soratana mazava anaty Lalampanorenana ary ampiharina, mba hamelomana ny risipo sy ny hambompo isam-paritra hisian’ny fifaninanana masina amin'ny fampivoarana". Nampiany fa "ny firaisankina anaty fahasamihafana no hitondràna fahombiazana !»
Jean D.
Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
 

Dans la même rubrique

11-mai-2026

Filoha koa i Andrianjato Vonison

Card image cap
07-mai-2026

Ny raharahanareo depiote alamina tsara!»

Card image cap