Mibaribary koa ny fitantanana tsy mahomby miampy fanaparam-pahefana. Ka inona moa izany fa dia repoblikan’ny gaboraraka sy ny tsolotra izao repoblika faha-4 izao, ka na ny eto an-toerana na ny any ivelany dia tsy misy mahatoky azy. Tsy hisy zava-banona eto raha tsy miova io fomba ratsin’ny mpitondra io, marina fa hoe olombelona nofo aman-dra ka mety ho solafaka. Tsy izany no atao fialana bala ka hanaovana izao hadalana rehetra izao. Ny fandaharanasa nampanantenaina 2 taona lasa tsy misy tokotaniny ka ny hanamafisana ny seza amin’ny 2018 sahady no mahamaika. Kabary no betsaka : foanana ny delestazy e ! Atao maimaimpoana ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga fototra e ! Hitarika ny fampihavanana e…Inona akory no teo. Fitomboan’ny fahasahiranana, fitotongan’ny fahaizana amam-pahalalan’ny mpianatra malagasy ary savorovoro etsy sy eroa noho ny tsy fisian’ny fitoniana no nitranga. Mba menatr’olona lehiretsy e !
RTT