airtel

Politique

27-janv-2025

Resaky ny moana sy ny marenina

Harilala miantso fiaraha-miasa, ny mpitondra hafa mihantsy ady !

Sample post image

Resaky ny moana sy marenina hatreto ny fahitàna ny fitantanana ny firenena.

27-janv-2025

Tafiditra ao anatiny manokana ny mikasika ny fitantanana an’Antananarivo renivohitra, izay renivohitr’i Madagasikara. Raha ny hita namarana ny herinandro nandritry ny kabarin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa, aloha izany dia azo fehezina amin’ny hoe ny ben’ny tanànan’Antananarivo niantso fiaraha-miasa amin’ireo herivelona rehetra misy eto amin’ny firenena ho fampandrosoana izay renivohitry ny nosy izay. Etsy ankilany nefa, ny mpitondra hafa dia hita ho mihantsy sy manenjika ireo tsy anaty fitondràna. Ny filohan’ny antenimierandoholona moa iny efa vedety nandritry ny andro maro iny. Sarotra adinoina ny filazàny fa «Tsy misy vahoaka mandresy miaramila izany!» na koa hoe tsy ampy hery ny mpanohitra ary tsy afaka ny handresy azy ireo. Ny olan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay natao ho vahàn’izay ben’ny tanànan’Antananarivo indray aza no nambarany ho tombony ho an’ny vahoaka malagasy satria hoe mariky ny fananana harena. Toy izany koa ny filazàny ho marika fa tsy mahantra ny firenena satria feno mpiantsena anatin’ireo tsena lehibe eto an-drenivohitra raha toa ka ny resaka IDH na «Indice de développement humain», izany hoe tondro mikasika ny fandrosoana eo amin’ny lafiny maha olona no tena imasoan’ny sehatra iraisampirenena ijerena izay fandrosoan’ny firenena iray izay. Tafiditra anatin’izany, ohatra, ny resaka PIB na harin-karena isaky ny mponina. Toy izany koa ny fampilaharana ireo laharam-pahamehana isam-paritra, izay eto amintsika izany hatramin’izao dia mbola isan’ny olana mila vahana ny resaka tsy fanjarian-tsakafo sy ny fiahiana ara-pahasalamana nefa na ny firenena akaiky antsika aty amin’ny ranomasimbe indianina toy ny nosy Maorisy aza efa nandao lavitra be izany olana izany, hoy ny fampitam-baovaon’ny antoko politika Otrikafo rehefa avy niatrika ny fihaonamben’ireo antoko politika aty amin’ny ranomasimbe indianina, andro vitsivitsy izay no lasa.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap