manamarina fa madio tsy misy zavatra hafa ao anatin’io “logiciel” io, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko TIM Rina Randriamasinoro omaly, raha niatrika ny fanolorana ofisialy an’ilay Rindram-baikon’ny CENI hikarakarana ny fifidianana. “Sahy miteny aho fa manana olana io CENI io, na tsy manam-bola, na tsy manana fahaleovantena. Ny rindram-baiko na ny “logiciel” nampiasaina tamin’ny fifidianana efa hita ny lesoka tamin’io, izay nanontaniana hoe: fa nahoana no “logiciel” efa tamin’ny 2005 izay isika eto Magasikara irery sisa no hampiasa azy aty amin’ny 2023? Io ihany no “plateforme” nampiasaina tamin’ny 2018 kanefa ny zava-misy tao anatin’io dia ireny niaraha-nahita ireny ny “doublons”, ny fandraisana laharana karapanondro mitovy no misy ao anatin’io”, hoy I Rina Randriamasinoro. Nambarany fa tsy vonona mihitsy ny CENI hitondra fivoarana ao anatin’izay satria ny valin-teny dia hoe: io no efa taloha ary hita ny lesoka ao anatiny. Raha io no ampiasaina dia tahaka ny hoe: isika eto Antananarivo mbola handeha hampiasa fiara 2CV amin’izao teknolojia izao. Manana olana ny CENI fa tsy voavaha, ary izahay mpanohitra dia miantso foana hoe: andao hifampiresaka, ataovy ny fikaonandoham-pirenena, fa tsy adala ny Vondrona Eoropeanina hanao ireny fanambarany ireny, tsy adala ny Filoham-piangonana FFKM miantso fifampiresahana, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM. Nomarihiny ny hoe: 20 000 ny fokontany manerana ny Nosy, kanefa 5000 fotsiny ny “tablettes” hampiasaina amin’ny fanisana mpifidy? Resaka firenena no jerena, ho avin’ny firenena ao anatin’ny 5 taona manaraka, koa satria ve manana olana ara-bola dia izay no làlana hitanao atao. Izay no ilàna fifampidinihana, ary tsy ny mandeha no zava-dehibe, fa ny mahalala tsar any làlan-kizorana, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM. Tsy misy “sécurisation” na antoka ny antontan-kevitra na “données” tafiditra ao anatin’io, efa hita ny tamin’ny 2018, tsy te hiteny betsaka fa rindram-baiko ampiasaintsika tsy azo antoka, efa mivoatra be ny rindram-baiko sy ny teknolojia, kanefa isika mbola hijanona amin’io. Nahoana no tsy miditra amin’ny zava-baovao, ka misy antony izany, hoy I Rina Randriamasinoro nanamafy fa na tsy manana vola hividianana “logiciel” vaovao na tsy tiana hazava ny fifidianana ka ny zavatra azo amboarina ihany aloha no ampiasaina.
Toky R