airtel

Politique

30-sept-2022

Politique

Rina Randriamasinoro “Tena tsy azo antoka ny CENI sy ny rindrambaikony”

Sample post image

Miahiahy fatratra amin’ilay Rindrambaiko na “Logiciel” hampiasaina hikirakirana fifidianana ny Antoko TIM. Mba manontania “cabinet d'audit international”

30-sept-2022

manamarina fa madio tsy misy zavatra hafa ao anatin’io “logiciel” io, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko TIM Rina Randriamasinoro omaly, raha niatrika ny fanolorana ofisialy an’ilay Rindram-baikon’ny CENI hikarakarana ny fifidianana. “Sahy miteny aho fa manana olana io CENI io, na tsy manam-bola, na tsy manana fahaleovantena. Ny rindram-baiko na ny “logiciel” nampiasaina tamin’ny fifidianana efa hita ny lesoka tamin’io, izay nanontaniana hoe: fa nahoana no “logiciel” efa tamin’ny 2005 izay isika eto Magasikara irery sisa no hampiasa azy aty amin’ny 2023? Io ihany no “plateforme” nampiasaina tamin’ny 2018 kanefa ny zava-misy tao anatin’io dia ireny niaraha-nahita ireny ny “doublons”, ny fandraisana laharana karapanondro mitovy no misy ao anatin’io”, hoy I Rina Randriamasinoro. Nambarany fa tsy vonona mihitsy ny CENI hitondra fivoarana ao anatin’izay satria ny valin-teny dia hoe: io no efa taloha ary hita ny lesoka ao anatiny. Raha io no ampiasaina dia tahaka ny hoe: isika eto Antananarivo mbola handeha hampiasa fiara 2CV amin’izao teknolojia izao. Manana olana ny CENI fa tsy voavaha, ary izahay mpanohitra dia miantso foana hoe: andao hifampiresaka, ataovy ny fikaonandoham-pirenena, fa tsy adala ny Vondrona Eoropeanina hanao ireny fanambarany ireny, tsy adala ny Filoham-piangonana FFKM miantso fifampiresahana, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM. Nomarihiny ny hoe: 20 000 ny fokontany manerana ny Nosy, kanefa 5000 fotsiny ny “tablettes” hampiasaina amin’ny fanisana mpifidy? Resaka firenena no jerena, ho avin’ny firenena ao anatin’ny 5 taona manaraka, koa satria ve manana olana ara-bola dia izay no làlana hitanao atao. Izay no ilàna fifampidinihana, ary tsy ny mandeha no zava-dehibe, fa ny mahalala tsar any làlan-kizorana, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM. Tsy misy “sécurisation” na antoka ny antontan-kevitra na “données” tafiditra ao anatin’io, efa hita ny tamin’ny 2018, tsy te hiteny betsaka fa rindram-baiko ampiasaintsika tsy azo antoka, efa mivoatra be ny rindram-baiko sy ny teknolojia, kanefa isika mbola hijanona amin’io. Nahoana no tsy miditra amin’ny zava-baovao, ka misy antony izany, hoy I Rina Randriamasinoro nanamafy fa na tsy manana vola hividianana “logiciel” vaovao na tsy tiana hazava ny fifidianana ka ny zavatra azo amboarina ihany aloha no ampiasaina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap