airtel

Politique

29-juil-2025

Rinah Rakotomanga

Manamafy ny fandetehana ny Minisitry ny fitaterana

Sample post image

Mitohy ny fandetehan’i Rinah Rakotomanga, filohan’ny filankevi-pitantanan’ny

29-juil-2025

Madagascar Airlines teo aloha ny Minisitry ny Fitaterana Valery Ramonjavelo mikasika raharaha fiaramanidina mampiahiahy. Nambarany fa nanomboka tamin’ny 2023, nifandray tamin’i K. Singh sy A. Rijasoa ny Minisitra momba ny fametrahana fitaovam-pitaterana, saingy nomena tombony avo in-droa izy ireo nefa tsy nisy vokany. Nanao « lobbying » na fandresen-dahatra tany Londres sy Inde ny Minisitra saingy tsy nahitana fampiharana na ny fifanarahana noho ny tombony mihoampampana. Tamin’ny Aogositra 2024, nifandray momba ireo fiaramanidina (Airbus A340 roa sy B777 dimy) tany Dubai ireo ny ACM ary voalaza fa 2 anatin’izany dia omena an’i Airmad, raha ny ampamoakan’i Rinah Rakotomanga. Ilay rangahy K. Singh dia nambarany fa efa nifanerasera akaiky tamin’ny Minisitra teto Madagasikara sy Shanghai na Dubai. Natao tamin’ny Desambra 2024 tao amin’ny CDL Ivato ny fanambaràna fa hamerina ny zotra iraisampirenena i Airmad ary efa tena misy fiaramanidina azo ampiasaina. Tamin’ny Janoary 2025, nalefa ny teknisianina avy amin’ny ACM nanao fitsirihana ara-teknika tany Chine, izay nanambara fa ireo Boeing 777 miisa 5 dia tsy azo ampiasaina afa-tsy amin’ny « immatriculation provisoire ». Natao fampahafantarana fa notolorana CIP sy CDN provisoire tany Kenya ireo fiaramanidina mba handehanana aloha ary avy eo nalefa tany amin’ny Mahar Air amin’ny « immatriculation » Malagasy “5R”. Tamin’ny Martsa 2025, nanao fangatahana « réserve d’immatriculation » tao amin’ny ACM ho an’i Fly Aviation, ary nampiasa faneriterena tamin’ny fitondrana « redressement » ny Airmad sy ny Tale Jeneraly vahiny mba hivarotra ny Airbus A340. Nanao sonia ny taratasy nanome alalana izany ny Minisitry ny fitaterana na dia tsy asany aza izany fa an'i Ministry ny fitantanam-bola no « gestionnaire du patrimoine de l'Etat », hoy i Rinah Rakotomanga. Tamin’ny Mey 2025, nivoaka tatitra tao amin’ny Africa Intelligence mampahafantatra fa tokony nesorina ilay Tale Jeneraly vahiny, saingy nitarika lobbying indray ny fitazonana azy ny minisitra na dia fantatra aza fa tsy mahavita tsara ny andraikiny. Tsy mbola azo ampahafantarina amin’ny besinimaro ny « compte » sy « bilan » 2022 2023 2024 hatreto amin’ny vaovao 2025. Nolazaina fa ampahany amin’ny fepetra vaovao avy amin’ny Banky Mondialy ($40 tapitrisa dolara) ny famindrana ireo actifs rehetra avy amin’i Airmad mankany amin’i Madagascar Airlines. Ary vao maika loza nataonareo « conditionnalités » vaovao indray rehefa avy nanao lobbying ianareo satria ireo fiaramanidina efa nalefa any Iran avokoa, ny fitazomanana io rangahy vazaha io miaraka amin'ny famindrana ny actifs rehetra an'i Airmad mankao amin'i Madagascar Airlines, mba hivoahan'ny vola famatsiambola 40 tapitrisa dolara avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena Faritra Afrika. Etsy ankilany lasa soamatsara any amin'ny Mahar Air ireo avions B777 miisa 5 « sous immatriculation » Malagasy 5R..., hoy i Rinah Rakotomanga. Naneho moa i Patrick Raharimanana mikasika ity raharaha ity fa tsy hisy ho afa-maina na ny ahontsana na ny mpanontsana satria samy manana « clan clan » ao anatin’io raharaha io.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap