airtel

Politique

12-sept-2024

Rivo Rakotovao

Kandidan’ny Firaisankina ao Mahajanga I

Sample post image

Nanamafy ny resaka nandeha ny haha kandida ben’ny tanàna azy i Rivo Rakotovao omaly.

12-sept-2024

Hirotsaka ao Mahajanga I amin’ny anaran’ny Vondrona Firaisankina ity Filohan’ny Antenimierandoholona sady efa Filoham-panjakana teo aloha ity. Efa vonona ny dosie rehetra ka izay tsy ampy fenoina miandalana satria misy fotoana eken’ny lalàna ahafahana mameno izany. « Ny tenako tsy tongatonga foana tamin’izao, ary ingahy Ravalomanana ihany koa tsy tongatonga foana amin’izao, fa efa nomanina izany. Efa fantatra fa tsy maintsy misy ankamely, misy fingampingana, izay ilay baolina eto an-tanàna fa dia miezaka ianao, ary izay no ahitan’ny olona anao fa tsy hoe : sakantsakanan’ny olona, dia hijanona », hoy i Rivo Rakotovao. Nanao antso avo ho an’ny vahoakan’i Mahajanga fa tena ho avy sy ho kandida ary efa vonona tanteraka, ka nilaza fa tanàna nahalehibe azy i Mahajanga, nahitany ny soa, ka raha izao toe-javatra misy eto amin’ny Firenena izao dia rariny loatra raha mamaly ny antson’ny vahoaka hoe : ahoana ity tananantsika ity, ary io tsy entina barofo, na angovo, fa entina amin’ny firahalahiana satria tanàna iraisana, raha ny nambarany. Momba ny raharaham-pirenena indrindra ny lafiny toekerana, isan’ny nitondran’i Rivo Rakotovao fanamarihana rehefa nanontanian’ny mpanao gazety ny resaka kiantranoantrano momba ny mety ho endrika fanomezan’ny Fanjakana ny zanaky ny Filoham-pirenena. Lasa misy endrika « conflit d’intérêt », fomba amam-panao izany ny fanalefahana ho an’ny orinasa entina hisarihana olona. Mahita ny zanaky ny Filoham-pirenena anefa dia hoe : tafiditra tao anatin’ilay fifampiraharahana mikasika fitaterana an’habakabaka dia mba miteny ny olona. Manana zo handraharaha ny rehetra na zanak’iza na zanan’iza fa rehefa zanaka manam-pahefana ianao na fahefana avy amin’ny vahoaka dia ny ao aminao aloha no tsy azonao omena tombondahiny manokana satria voararan’ny lalàna ny « conflit d’interet » izay mahatonga ny olona hanaonao foana ary iza ary izao no sahy hanakana izany ao anatin’ny filankevitry ny Minisitra, hoy i Rivo Rakotovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap