ho an’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko politika Hery vaovao ho an’i Madagasikara na HVM, Rivo Rakotovao. Nampitenenina, hoy izy, ilay depiote nangataka an’iny farany teo. Kolikoly izany! Rehefa mbola te hirotsaka ny filoha ankehitriny, tokony izy no niteny fa tsy nampiteny. Rehefa tapitra ny fotoam-piasàna dia tapitra. Tsy fanarahan-dalàna ny ankoatran’izay, hoy hatrany ny tenany. Noresahiny manokàna ihany koa ny mikasika ny olan’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA ankehitriny ka nampahatsiahivany fa nanana drafitra nentina nanarenana ny JIRAMA ny fitondrana teo aloha Hery Rajaonarimampianina saingy nanana ny heveriny hanaovana izany ny mpitondra ankehitriny ary dia izao no zava-misy.
Nangonin’i J. Mirija