Mandeha ny fikaonandoham-pirenena amin’izao fotoana izao, ary manomboka mitady haka toerana sy hialokaloka amin’izany ireo mpitondra teo aloha izay isan’ny fositra nitondra ny Firenena tao anatin’ny fahapotehana. Sanatria toa mitady hanarontsarona ny heloka sy hadisoana maro lafy. Tsy tokony ho vitavita ho azy anefa izany, mila alefa ny fanadihadiana, dia raisina ny fepetra mifandraika aminy, « Ny fanadiovana no tokony ho lehibe fa tsy ny fampihavanam-pirenena aloha », hoy ny Filoha nasionalin’ny Antoko HVM Rivo Rakotovao. Tsy miteny hoe tsy hihavana isika mianakavy fa ilainany fanadiovana satria isan’ny manakrontana ny firenentsika ny fieritreretana dia havela amin’ny resaka fampihavanam-pirenena na fifanarahana politika ny zava-drehetra, hoy hatrany ny tenany. Izany no isan’ny mankaleo ny olona amin’ny politika. Mangataka sy mitaky mihitsy noho izany ny HVM hoe: aleo handeha soa aman-tsara ny fanadihadiana nahatonga ny Firenentsika tahaka izao, ka izay rehetra tompon’andraikitra tao anatin’ilay izy dia mandray ny andraikitra amin’izany ny fahefam-pitsarana eto amin’ny Firenena. Izay no hametraka fototra lehibe amin’ny hoavin’i Madagasikara mba tsy hieritreritra indray ny olona fa taorian’ireny zavatra manahirana be dia be ireny, ka mifanaraka ny mpanao politika, mitsodrano sanatrian’izany Raiamandreny am-panahy, dia tapitra indray ny tantara, hoy hatrany i Rivo Rakotovao izay nanamafy fa tena takiana ny ady amin’ny tsy maty manota.
Toky R