ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata ny faran’ny herinandro, mba hampahatsiahy azy ny fitsipika fototra amin’ny fifandraisana ara-diplomatika. “Io fotoana io dia nahafahako nampahatsiahy azy fa firenena manana ny fahaleovantenany i Madagasikara, afaka misafidy malalaka amin’ny lafiny fifandraisana iraisam-pirenena,” araka ny resak'io Minisitra io tao amin'ny TVM taorian’ny fihaonana. Nanamafy Rtoa Rafaravavitafika Rasaya fa “miara-miasa amin’ny firenena maro i Madagasikara, ary ny fanapahan-kevitra amin’ny sehatra diplomatika dia an’ny fanjakana malagasy manokana.” Nanampy izy fa “zava-dehibe ny fitandremana ny fifanajana amin’ny fifandraisana, na amin’ny firenena tsirairay na amin’ny Vondrona Eoropeana.” Ny fanehoan-kevitra navoakan’i Roland Kobia tao amin’ny Facebook, izay nilaza fa “tsy manome fiara lafo vidy ny Vondrona Eoropeana fa manome fiaramanidina sy angidimby ho an’ny fanampiana ara-drafitra ho an’ireo mponina lavitra. Mety heverina ho kely sy tsy dia misy fankasitrahana, kanefa mahavonjy ain'olona” no tsy levon'ny vavonin'ny Fanjakana. Niseho io fanambarana io taorian’ny fandraisan’ny fanjakana malagasy fiara 16 avy amin’ny governemanta sinoa. Nampahatsiahy i Kobia fa “ny ankamaroan’ny fanampiana ara-pahatsiarovana ho an’i Madagasikara dia avy amin’ny Vondrona Eoropeana, amin’ny alalan’ny Firenena Mikambana, ONG, sns.” Nanaiky izy fa “tsy dia hita maso loatra io fanampiana io, ary tsy dia fantatra firy.” Hoy izy: “Saingy manavotra aina am-pahanginana izany.”. Stratejika sy manan-danja amin'ny tontolon'ny diplaomasia io. Raha hiverenana, tsy dia mifanalavitra an'izao no nandroahan'ny Fitondrana Rajoelina ny Ambasadaoron'ny Vondrona Eoropeanina teo aloha Rtoa Isabelle Delattre. Ity farany izay nangatahana ny fanoloana azy rehefa nolazaina fa mitsabaka amin'ny raharaha anatin'ny Firenena. Nokianin'io diplaomaty io tamin'izany ny lalàna momba ny famosirana izay nolazainy fa tsy mifanaraka amin'ny fifanarahana Iraisam-pirenena miady amin'ny fampijaliana. Notsikafoniny ihany koa ny resaka fanamboaran-dalana kitoatoa, kitoatoa, tsy maharitra,... kanefa vatsian'izy ireo volabe. Teny antsefantsefany teny ny famotsipotsirana fa fanitsakitsahana ny demokrasia. Dia io indray fa efa tratry ny "rappel à l'ordre" ny Ambasadaoro Roland Kobia herintaona niasana teto. Stratejika be amin'ny diplaomasia, politika, jeopolitika,... ny tahaka izao. Tsy azo hamaivanina ka asa hanao ahoana indray ny ho tohiny satria heverina ho tsy mandehandeha ho azy. Malalaka amin'ny safidiny i Madagasikara saingy hentitra amin'ny fijeriny ihany koa ny vahiny satria mbola mpandrotsa-bola hanodinana ny Firenena. Raha malalaka ny Fitondrana Rajoelina, tsy tokony hialokaloka amin'ny hoe: fepetran'ireo mpamatsy vola, tsy azo hihodivirana,... eo anatrehan'ny fampiharana ny "vérité de prix" na vidiny tena izy amin'ny solika, Jirama, herinaratra,... Tsy tokony hanara-drenirano amin'ny zana-bola-bolan'ny banky hakana 20% izay mamono ny Malagasy,...
Toky R