airtel

Politique

16-sept-2025

Serge Imbeh Jovial

« Mila fitantanam-bola hentitra, mangarahara, ary mahomby isika »

Sample post image

Ny fandrosoana ara-toekarena sy ny fahaleovantenan’i Madagasikara

16-sept-2025

dia miankina amin’ny fitantanana ara-bola hentitra sy mangarahara. Raha tsy voafehy ny fandaniana, dia mitarika fitomboan’ny trosa sy fahalemen’ny rafitra ara-toekarena, izay mety hitarika krizy ara-bola tahaka ny nitranga tany Frantsa, Gresy, Arzantina ary Zimbabwe », hoy i Serge Imbeh Jovial Mpahay toekarena, efa kandida Filoham-pirenena. Araka ny tatitry ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI), nihoatra ny vola miditra tamin’ny hetra sy haba ny fandaniana nataon’ny fanjakana tamin’ny tapany voalohan’ny taona. Midika izany, hoy izy, fa ilaina ny paikady vonjimaika sy fanaraha-maso hentitra amin’ny tetibola ho avy. Tsy olana ara-teknika fotsiny ny fitantanana ara-bola, fa olana fototra amin’ny fahaleovantena ara-toekarena. Raha tsy voafehy ny vola miditra sy mivoaka dia ho mora iharan’ny fidinan’ny toekarena na krizy iraisam-pirenena isika. « Tokony hijery sy hanara-maso akaiky ny fanatanterahana ny tetibola isaky ny telovolana ny fitondrana, ka hifehy avy hatrany raha toa ka misy fihoaram-pandaniana. Ny fandaniana rehetra dia tsy maintsy ahitana vokatra, ary manampy amin’ny fananganana toekarena maharitra. Tsy maintsy mametraka laharam-pahamehana isika, ary mampiasa ny vola amin’ny tetikasa tena ilaina sy maika. », hoy hatrany io mpahay toekarena io. Nahitsy izy naneho fa ilaina ny politika mazava hanohanana ny sehatra tsy miankina, indrindra ny PME/PMI izay vato fototry ny fitomboan-karena. Mila omena lanja ny sehatra fambolena, fiompiana, jono ary indostria, hoferana koa ny fidiran’ny entana vahiny tafahoatra izay manimba ny fifandanjan’ny varotra ivelany. Mila fotodrafitrasa matotra sy maharitra, indrindra amin’ny herinaratra, lalana, sy fambolena. Raha tsy izany dia tsy hisy ny fampiasam-bola vahiny na IDE, na dia maro aza ny fikasana. Tokony ho tadidintsika fa misy firenena mifaninana amin-tsika, toy ny Nosy Maorisy, izay efa lavitra amin’ireo sehatra ireo.
MILA POLITIKA ARA-BOLA SY ARA-TOEKARENA MAHOMBY
Aminy, mbola ambany ny tahan’ny fanerena ara-ketra eto Madagasikara (eo amin’ny 14 %), ka tsara raha apetraka ho tanjona ny hahatratra 20 % alohan’ny faran’ny fe-potoam-piasan’ny Filoha. Mba hahatratrarana izany dia ilaina ny fanaraha-maso hentitra ny hetra, fanavaozana nomerika amin’ny hetra sy fadin-tseranana, fanitsiana ny lalàna momba ny “optimisation fiscale”, ary fampidirana ny sehatra tsy ara-panjakana ao anatin’ny rafitra ara-dalàna. Amin’ny fanomanana ny tetibola 2026, ny fampidiram-bola anatiny dia tsy maintsy ho fototry ny paikady hifantohan’ny fanjakana. Farany, tsy maintsy mitana ny andraikiny amin’ny fandrindrana ara-politikan’ny vola ny Banky Foiben’i Madagasikara. Tokony hiasa amin’ny fahaleovantena tanteraka izy, tsy ekena ny fanelingelenana ara-politika. Raha ambany ny fitomboan’ny toekarena (4 %) nefa ambony ny fidangan’ny vidim-piainana (7,9 %), dia ilaina ny politika mazava sy mifantoka. Tsy misy fahagagana amin’ny toekarena: vokatra avy amin’ny politika sy fepetra noraisina no miteraka fiovana. Raha tanteraka ny fitantanana mangarahara sy hentitra, politika mazava ary rafitra ara-toekarena mahaleotena, dia hanana ho avy mamiratra sy maharitra ny firenentsika, hoy hatrany i Serge Imbeh Jovial.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap