airtel

Politique

07-mai-2025

Siteny Randrianasoloniako

« Tsy mahazaka fofom-bola Rajoelina !

Sample post image

Fahavalon’ny fitsinjaram-pahefana! »

07-mai-2025

Lasa kabary ifamaliana sy ifamantsihana ny an’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina sy ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko izay Filoha lefitra faha-7 ao amin’ny Antenimierampirenena. Ny alahady teo, namantsika ankolaka an’i Siteny Randrianasoloniaiko ingahy Filoha mikasika ny tetikasa Base Toliara, ka nilazany fa tsy hozatra na belohaloha no entina hampandrosoana ny Firenena fa ny saina. . "Izaho Andry Rajoelina dia tsy hampanao sonia na hanaiky mihitsy ny zavatra tsy hifanaraka amin'ny tombotsoa na hamono ny vahoaka Malagasy fa indrindra ny vahoaka any Atsimo. Ny zavatra nifanarahana tamin’ny Energy Fuel dia hoe : ireto avy ny hetra alohan’izy ireo, alefa amin’ny Antenimierampirenena, ampahibemaso izany. Hahazo 180 000 000 Dollars isan-taona i Madagasikara amin'ny alalan'ny tetik'asa Base Toliara ity. 80% amin’ny monanzite mondiale mitrandraka fa misy maty ve any ? », hoy i Andry Rajoelina. Notanisainy ny any Bresil, any Afrika Atsimo, Inde,… misy mitrandraka. « Raha vita fifanarahana ohatran’io Base Toliara ny fitrandrahana rehetra nisy teto dia tsy mila mpamatsy vola intsony isika. Raha misy tetikasa ohatran’ny Base Toliara 2 na 3 na 4 dia anisan’ny Firenena matanjaka isika. Tsy ny vahoaka any Atsimo no tsy te handroso, fa ny mpanao politika azo isaina amin’ny rantsan-tanana mba tsy ilazako hoe olona 1 no andeha hisakana ny fampandrosoana any Atsimo sy eto Madagasikara. Ary izao koa tsy ny hozatra na ny habeloha no ho entina hampandrosoana ny Faritra na ny firenena fa ny saina ", hoy hatrany i Andry Rajoelina andaniny. Adinony sa hodiany adala ny fitrandrahana ny vy tao Soalala nifanarahany tamin’ny Wisco tamin’ny tetezamita izay tsy nisy fangaraharahana sy tsy nisy tombotsoan’ilay faritra ?

« MPAMONO VAHOAKA, TSY MAHAZAKA FOFOM-BOLA »
« Saina manao ahoana no hitondran’ingahy Rajoelina ity Firenena ity. Izaho tsy pelaka ary izao tsy sarimbavy, ka mirehareha aho manana hozatra. Nandritra izay fotoana nitondran’ingahy Rajoelina ity mba nandroso ve isika. Ny fahitako azy nihemotra nihemotra foana. Nanomboka 2009 hatramin’ny 2025 dia propagandy foana . Amiko tsy misy ilana azy iny tafa nataony iny raha ho an’ny vahoaka Malagasy. Mba nanantena fa hisy zavatra hoenti-dRajoelina manoloana ny fahasahiranam-bahoaka. Izaho mba nanantena hoe : hiainga any ny karama farany ambany 100 euros dia hoe : ho sambatra ny Malagasy », hoy i Siteny Randrianasoloniaikohoy. Nambaran’ity farany, fa ny filoha ankehitriny mihitsy tamin’ny 14 septambra 2020 no nandray fanapahan-kevitra mikasika ny « ristourne » manerana manerana an’i Madagasikara. Raha misy olona tena hoe fahavalon’ny atao hoe : « décentralisation » na fanomezana vola na fahefana ny olona any amin’ny faritra na any amin’ny kaominina, ny anarany tompoko dia « Andry Nirina Rajoelina ». Momba ny raharaha Base Toliara, tsy mahazaka fofom-bola i Andry Rajoelina, ka tsy miraharaha ary tsy mampaninona azy na hisy faty olona ao. Tsy menatra mandainga hoe : misy pipeline ao ! » hoy hatrany io depiote io. Mitohy ny fifampiampangana, ny vahoaka miha fadiranovana ihany !
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap