airtel

Politique

30-janv-2025

Tahina Razafinjoelina

« Namaly ny Firaisankina izahay, misy tanjona iarahana…»

Sample post image

Efa namaly ny antso fiombonan’ny mpanohitra ny antoko niara-dia tao amin’ny Vondrona Kolekitifan’ny Malagasy,

30-janv-2025

raha ny nambaran’ny Filohan’ny Antoko Tia Tanindrazana Atoa Tahina Razafinjoelina omaly. Nambarany fa efa tapitra tamin’ny fifidianana depiote ilay hoe : « kolekitifa » ka somary manahirana ny mampiasa azy, kanefa mbola eo foana ary mitohy foana ny fiaraha-miasan’ireo antoko mpinamana sy mpiara-dia ahitana. Nandrafitra an’io moa ny Tia Tanindrazana, Malagasy Miara-Miainga, FMI Malagasy, ny Anjomara sy Rivo-Baovao, ary Malagasy Tonga Saina. Naneho i Tahina Razafinjoelina fa nisy ny fihaonana sy fifanatonana teo amin’izy ireo izay nisy antoko 4 sy ny Firaisankina manoloana ny raharaham-pirenena, saingy tsy voatery nodradradraina. « Misy zavatra atao tsy voatery vazavazaina, namaly izahay, aleo hazava, ary efa nisy fihaonana natao, tsy voatery teo daholo satria ny sasany tamin’ny mpitarika ny Firaisankina nisy tany am-pita », hoy i Tahina Razafinjoelina. Tena misy, hoy izy, ny fifanantonana, fa tsy vazavazaina be satria raha tsy mazava ny làlana tsara ihany koa ilay làlana sy ilay tanjona tiana hahatongavana dia fandaniam-potoana fotsiny ihany. Mikasika ny hoe : azo antenaina ve dia misy tanjona iarahana aloha dia mbola any isika izao, misy lalana tokony horafetina makany amin’io tanjona io hoe : ho mpanohitra tahaka ny ahoana ? hoy izy. Misy kosa ny tanjona iarahana raha ny nambarany, ka andrasana izany ny tohiny ! Notsipihin’i Tahina Razafinjoelina kosa eo anatrehan’ny fanenjehana sy fandotoana samihafa mandeha mikasika ny fifidianana Filohan’ny filankevitra monisipaly (PCM) teo anivon’ny CUA, fa matoa ny Tia Tanindrazana miaraka amin’ny ekipa nandrafitra azy avy amin’ny MMM, FMI Malagasy, ary ny ARB tsy nandrotsaka kandida tao amin’ny PCM-CUA dia ny dikan’izay efa nifanaraka ny samy mpanohitra. « Raha te hanimba ny fanoherana izahay, dia nandatsaka kandida fotsiny tao amin’ny Filohan’ny PCM dia vita. Matoa nahazo 25 ny Firaisankina dia tsy vitan’ny TIM 20, ary mbola nisy vato fotsy 2, ka iza izany ilay 5 ?», hoy izy. Ny manahirana fotsiny tao amin’ilay izy dia hoe : niray hina tsara taty amin’ireo 3 ambiny satria nahazo ny TIM, nahazo ny MG, nahazo ny TT ka ny dikan’izay ve mety nisy resaka « personnel » ve sa resaka zavatra hafa ? hoy i Tahina Razafinjoelina. Namafisiny fa ny hametrahana fanoherana mitondra any amin’ny fampandrosoana toy ny fifanatonana efa natao teo anivon’ny Kaominina no katsahina ho an’ny fanoherana. Ny eo anivon’ny CUA izao dia manohitra ny fahantran’ny tanàna, hametraka ho laharam-pahamena amin’ny resaka asa. Izany no toromarika omena ny ekipan’ny mpanolontsaina. Handany ny volavolana tetibola izao atsy ho atsy, dia ohatr’izany no jerenay, ohatr’izany ilay endrik’ilay fanoherana entina hahafahana makany amin’ny fampandrosoana, hoy ny Filohan’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap