airtel

Politique

05-déc-2024

TAHINA RAZAFINJOELINA

« Tsy voavidy vola, tsy voavidina seza ny aty, izaho aza no namatsy… »

Sample post image

Tsy mety ny resaka honohono tsy tsaho koa dia nanontanian’ny mpanao gazety sendra azy teny Ambohimanarina

05-déc-2024

omaly alarobia ny kandida Tahina Razafinjoelina momba ireo resabe etsy sy eroa mahakasika azy. Nambarany ary fa matoa tsy namaly ny ampamoaka nataony ilay antoko iray dia misy antony izay. Misy fanekena ao. Video namboarina, video montage ve no atao hanakonana ilay ampamoaka, tsisy idirana kandida mihitsy ny zavatra nambarako, hoy izy, ka aoka isika vahoaka tsy ho mora voarebirebin’ny tsaho. Momba ny hoe nandray vola tamin’i Mamy Ravatomanga dia mahitsy sy mazava ny resak’i Tahina : tsy voavidy vola ny aty, izaho no mamatsy politika tamin’ilay olona noheverina fa hahavita zavatra, fa izaho tsy mivelona amin’ny politika. Tsy mbola nandray vola aho na tamin’iza na tamin’iza, na avy amina Malagasy na Sinoa na Karana, tsy nisy… Mijoroa ianareo izay milaza hoe nanome vola ahy, hoy i Tahina Razafinjoelina.23 taona aho izao no nanaovana politika, hoy izy fa tsy mbola voavidy vola, tsy mbola voavidina seza izany aho, hoy izy. Ka aoka kosa tsy hiteniteny foana fa asehoy ny porofo. Vola 500 euros « plus plus » nataon’ireo mpianatro fahiny monina any eoropa no vola avy any aman’olona hoe voarainay, hoy i Tahina. Tsy mivelona amin’ny politika aho ary tsy mangata-bola amin’ny politika. Mbola izahay aza no namoaka vola nanohanana ny kandida sasany an’io antoko manenjika anay io, amin’ity fifidianana atrehantsika ity, hoy i Tahina Razafinjoelina. Noresahany ihany koa ny tsaho niniana naely tamin’ny facebook hoe miaraka mivory i ranona sy ranona. Voatonona tao izy. Ilay olona lazaina fa niaraka nivory amiko anefa, hoy izy amin’io fotoana io ay Mahajanga, hita tamin’ny vaovao ny zavatra nataony ; izaho eto Antananarivo manao fampielezan-kevitra, dia inona ny hoe niara-nivory tamin’izany. Aoka kosa mba tsy fitahana amin’ny lainga ny vahoaka fa izay marina ambara raha tena sahy mijoro, hoy i Tahina Razafinjoelina.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

Madagasikara avela manapa-kevitra!»

Card image cap
10-févr-2026

Rajoelina tany Eswatini ireny!»

Card image cap
10-févr-2026

ireny no tsy maintsy hamadika!»

Card image cap
09-févr-2026

miangavy ny Filoha handray andraikitra,… »

Card image cap
09-févr-2026

fanadihadiana ataon’i Maurice »

Card image cap
09-févr-2026

Malagasy mafy ny fihetsik'i Eswatini

Card image cap