airtel

Politique

04-sept-2025

TANAMBAO TSIRANDRANY, BEKILY

Disadisam-pifidianana no nivadika fifamonoan’ny samy vahoaka

Sample post image

Nisy ny famonoana ny zanaky ben'ny tanàna tao amin'ny Kaominina

04-sept-2025

Tanambao Tsirandrany distrikan’i Bekily faritra Androy volana vitsy lasa izay noho ny tsy fahazakana faharesena tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna . Nisy andian’olona efa ho 200 mitondra fitaovam-piadiana nanafika sy nanimba zavatra tao amin’ny tanàna. Efa nalefa ny tatitra tany amin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana sy ny manampahefana, hoy ny mponina any an-toerana saingy tsy nisy tohiny ny raharaha. Tsy nisy mpijery ny vahoaka Mbola nanafika indray ireto olona ireto ka farany namaly izahay fa mahatsiaro marary satria hatramin'ny nahafaty an'i ratompokolahy Andry izay zanaky ben'ny tanàna dia mbola tsy hita ny fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakana . Ny 30 aogositra lasa teo dia nisy ny fifandonana sy fifampitifirana izay mafimafy ihany satria niaro tena amin’izay ireo mponina ao amin'ny Kaominina Tanambao Tsirandrany ary nisy hoy izy ireo ny naratra voatifitra avy any amin’ny mpanafika. Tsara ho marihina fa efa in’efatra nisy andian’olona nanafika ity kaominina kely ity. Nisy moa omaly ny fivoriana maika nataon’ny ny OMC-REG (Organe Mixte de Conception) ary niainga omaly maraina ihany ireo lehiben'ny mpitandro filaminana (Commandant Groupement ZP, Commandant ZDS Mandrare, ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka) handrindra sy handamina ny toe-draharaha ao amin'ny kaominina Tanambao Tsirandrany noho ity disadisam-piarahamonina izay miteraka fifandonan’ny samy vahoaka ity. Porofo iray mampiseho indray ity mitranga any atsimo ity fa tena marary ny fiarahamonina malagasy, misy zavatra tena tsy mety resaka faharesena amina fifidianana ve no hanafihana tanàna sy hamonoana olona ? Maro ny fanabeazana sy fandraisana an-tanana tokony atao amin’ny mponina tahaka izao fa raha sanatria tsy voalamina sy tsy voafehy io dia ho zava-doza fa samy mpitandro filaminana sy fitsarana daholo ve izany ny isam-batan’olona na isam-pokontany ?
Nangonin’i RTT 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap