airtel

Politique

10-oct-2025

Tanora maty lazain-dRajoelina ho mpandroba

Diso sady fanambaniana

Sample post image

, vao mainka tezitra ny vahoakan’i Diego

10-oct-2025

Nandiso ny filazan’i Andry Rajoelina tamin’ny haino aman-jery vahiny Réunion 1ère ny Depiote Ibrahim Issa Charles dit Bora Réglage voafidy tao Antsiranana omaly, mikasika ny filazana fa tratra ambodiomby nandroba tamin’ny bijouterie ilay tovolahy iray maty voatifitra tany Antsiranana. Nolazaina fa antontan’isa tsy voamarina ny an’ny ONU nilaza fa 22 ny namoy ny ainy, fa ny azy 12 ary saika nandroba ny ankamaroany, ka nilazany a’ilay hoe ny tany Diego manokana dia tratra ambodiomby tao amin’ny bijouterie. « Ny fandrobana 25 septambra, ny zanakay maty 25 septambra », hoy kosa io depiote io. Ny toerana nisy fandrobana sy ny toerana nisy fahatafesan’ilay tanora dia mifanalavitra toy ny hoe : ao Ambatobe fonenan-dRajoelina sy any 67Ha. Tsy vitan’ny novonoina fa mbola nambanimbaniana, razananay, ny zanakay maty. « Normal » raha mitohy ny grevin’ny zanak’i Diego fa marary anay, hoy hatrany ny depiote Bora Réglage. Ity farany izay nilaza fa mila mailo amin’ireo olom-boatendry manodidina an’i Andry Rajoelina. Efa naneho ny alahelony teo anatrehan’io filazan-dRajoelina fa mpandroba tratra ambodiomby io ihany koa moa ny anabavin’ny maty. Ankoatra io, tao Tanambao 5, Antsiranana tamin’ny 26 septampbra lasa, lehilahy tanora iray mpamily Bajaj (Dawa Marley) no matin’ny mpitandro filaminana tsisy indrafo. Tsy tany amina fandrobana ihany koa fa teo anoloan’ny tranon’ny dadilahiny. Efa voatifitra tamin’ny tongony ka lavo tamin’ny tany, nefa mbola notifirina indray tamin’ny tratra tamin’ny fomba (à bout portant). Nanamafy ny fianankaviany fa tsy jiolahy velively izy. Asa feno habibiana sy tsy manan-kihavana izany, ary niteraka fahatezerana sy alahelo lalina teo amin’ny mponina. Ny fihetsika toy izany dia fandikan-dalàna mivaivay amin’ny lalàna iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona, izay efa nanaovan’i Madagasikara sonia sy fankatoavana. Milaza ny Filoham-pirenena tao Iavoloha hoe : omenareo herintaona aho tsy maintsy voavahako ny delestazy, fa ny anay aty manao ahoana. Izahay angaha tsy mba Malagasy ? Izahay mandoa hetra ? Nitondra fanazavana tahaka an’io ihany koa ny depiote Jack izay nilaza fa misy manome tatitra diso ny Filoham-pirenena mikasika ny fahafatesan’i Rivaldo. Nilaza fa lasa manakorontana ka ny zavatra marina no tokony holazaina. Nilaza fa tsy hamela ny raharaha ho vita ho azy fa tsy maintsy hanokatra fanadihadiana mikasika ny raharaha Rivaldo. Niantso ny hamelana ny maty handry am-piadanana ity depiote ity. Ny Filoham-pirenena no mahazo tatitra diso sa niteny izay hitsiny sy manamaivana ny ran’ny Malagasy maty noho ny fitiavan-tseza ? Na 12 na 22 angaha tsy ain’olona sy tsy marary? Nahoana no tsy namoaka antontan’isa mazava ny Fanjakana fa aty amin’ny tapa-bolana efa nosokirin’ny fampahalalam-baovao vahiny vao niteny isa izay tsy azo antoka, raha tarafina amin’ny fihetsiky ny fitondrana. Inona no marina mbola antenaina amin’izao fitondrana izao?
Toky R

 

Dans la même rubrique

04-déc-2025

Maro no miha resy lahatra ankehitriny

Card image cap
04-déc-2025

Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena

Card image cap
04-déc-2025

Voatendry ho mpanolo-tsaina maharitry

Card image cap
04-déc-2025

aloha noho ny fifidianana tsy azo antoka…

Card image cap