airtel

Politique

27-déc-2024

Taona 2025

Mananontanona ny krizy sosialy sy toekarena hihamafy hatrany…

Sample post image

Raha ny fanazavàna siantifikan’ireo manam-pahaizana momba ny siansa mikasika ny olombelona sy ny

27-déc-2024

fiarahamonina izany no aravina dia tsy nety tafala tanatina krizy i Madagasikara hatramin’izay nidirany tao anatin’ny antsoina hoe repoblika, izany hoe, nanomboka ny taona 1958 no ho nankaty. Porofo mitohoka amin’ny tenda ny fitomboan’ny fahantram-bahoaka sy ny fiakaran’ny vidim-piainana ary ny fitotongan’ny Ariary. Krizy matoa miha mahantra sy tsy mety afaka anaty fahantrana, raha fehezina ny famintinan’ny rain’ny haiolona mikasika ny fiarahamonina na «père de l’anthropologie social», Evans Prichard, azy ao anatin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe «Anthropologie social» izay. Fintininy ao anatin’izany moa fa miisa 4 ny ambaratonga mahatonga fipoahana krizy. Miainga amin’ny antsoina hoe disadisa na «turbulence» izany ka rehefa tsy mety voavaha io disadisa io, ohatra hoe disadisa politika, dia mivadika aditeny na «tension». Iny indray avy eo no mivadika krizy na adilahy, izay miteraka fifanoherana amina lafin-javatra maro ka mampikantso ny fandehan-draharaha ao amin’ilay fiarahamonina na firenena mihitsy ary raha sanatria mbola tsy voavaha izany dia miteraka ady atsanga na fipoahana krizy tahaka ireny niseho tamin’ny taona 1972, 1991, 2002, 2009, 2018 ireny. Raha mamisavisa fipoahan’ny krizy politika, araka izany, ny ankamaroan’ny mpisehatra politika ankehitriny manoloana ireo korontana marolafy isam-paritra taorian’ny voka-pifidianana kaominaly dia ireo mpandinika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny kosa dia mahita fa mananontanona hiha mafy sy krizy sosialy sy toekarena amin’io taona miditra 2025. Eo ny tsy fahampian’ny rotsak’orana, izay mampitarazoka ny fiakaram-bokatra isan-karazany, toy ny vary, eny an-tsaha. Ahiana hihamafy miaraka amin’izany koa ny delestazy sy ny tsy fisian-drano, izay efa tena mampijaly anefa ireo amin’izao fotoana izao. Ahiana koa, araka izany, ny fahafatesana fihariana hafa maro izay mety efa mitsipozipozy amin’izao fotoana izao. Voakasika manokana ireo orinasa madinika, indrindra, tsy mahatakatra mpisolo herinaratra na «groupe électrogène» tahaka ireo mpanety, mpampanofa solosaina na «cybercafé», ny mpanefy vy, izany hoe, ahiana hitombo indray ny fahaverezana asa sy tsy fandriampahalemana amin’ny endriny maro mety ho aterak’izany raha tsy ahitàna vahaolana dieny izao.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap