airtel

Politique

28-nov-2025

Tenin’ny Filoha hoe

« tsy tetezamita fa fanavaozana izao »

Sample post image

Manazava ny mpahay lalàna, Alain Mahavimbina

28-nov-2025

Nilaza tokoa ny filohan’ny fanavaozana fa tsy anaty tetezamita isika izao fa anaty fanavaozana, hoy ny mpahay lalàna, Alain Mahavimbina. Raha ny fanazavàn’ny filoha, hoy izy, dia hoe vokatry ny hetsi-bahoaka no mitondra any amin’izay fanavaozana izay ary avy eo vao mankany amin’ny tetezamita. Hampiako mihitsy ny fanazavàna mba hahatakaran’ny vahoaka tsy mandady harona ny tena zava-misy sy hamantaran’ireo tomponandraikitra ny iraka tena miandry azy. Misy dingana roa, raha ny fanazavàn’ny filoha ny tetezamita na «phase transitoire». Ny tetezamita dia fomba fitondràna fanjakàna na fepetra misy anaty fanjakàna iray izay tsy mahafeno ny fepetra takian’ny lalàmpanorenana. Misy ny toerana natokana ho an’ny olom-boafidy. Misy ho an’ny voatendry. Ankehitriny izany dia ny toerana ambony indrindra amin’ny an’ny olom-boafidy no nametrahana ny miaramila, araka ny fahitàn’ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC. Nanambara io fa rehefa nozahàna ny fepetra rehetra takian’ny lalàmpanorenana, eo anatrehan’ny fahabangan’ny toeran’ny filoham-pirenena, nozahana koa hoy izy ny fitarihana ny antenimierandoholona fa tsy nahafeno fepetra. Tratry ny fitsipaham-pitokisana ny filohan’izany rafitra izany. Nojerena koa ny governemanta dia efa rava. Ekena, noho izany, ny hitondràn’ny miaramila ny tany sy fanjakàna ary antsoina hoe filoham-panjakàna izy ireo. Iny fipetrahan’ny filoham-panjakàna amin’ny toeran’ny olom-boafidy iny dia mamaritra fa tetezamita ny vanim-potoana iainantsika. Ny antony nilazàn’ny filohan’ny fanavaozana fa fanavaozana izao no misy dia satria ny governemanta amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny filoha foana, dia governemanta hamantatra ny olana fototra na «étude des lieux». Misy tanjona ao dia ny hoe Madagasikara vaovao. Jerena eto izany ny mety sy tsy mety na ny tokony ampiana. Toy izany koa ny hoe inona no sary mety? Rehefa vita anaty 2 volana izay dia arafitry ny governemanta ho karazana fehezan-dalàna na rindran-tsoratra ny zava-misy rehetra anatin’ny departemantan’ny minisitera tsirairay avy. Ireo rindran-tsoratra ireo avy eo no avondrona ho fehezan-dalàna lehibe iray mamaritra ny endrikendriky ny fanjakàna misy, araka ny fahitàn’ireo minisitera ireo azy avy dia avy eo iny no hitondràna ilay tetezamita. Rehefa azontsika tsara izany ny zava-misy marina na «situation réelle» isaky ny minisitera dia izay no hanaovana ilay fitsapan-kevi-bahoaka hifidianana ny lalàmpanorenana tokony hitondràna ny tany sy ny firenena. Mbola tsy azo atao izany aloha ny milaza hoe nahavita na tsy nahavita io fitondràna io raha tsy efa tapitra ny 2 taona izay hitondra antsika any amin’ny fiverenana amin’ny rafitra ara-dalàna na mifanaraka amina lalàmpanorenana, hoy hatrany ity mpahay lalàna ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

04-déc-2025

Maro no miha resy lahatra ankehitriny

Card image cap
04-déc-2025

Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena

Card image cap
04-déc-2025

Voatendry ho mpanolo-tsaina maharitry

Card image cap
04-déc-2025

aloha noho ny fifidianana tsy azo antoka…

Card image cap