airtel

Politique

16-oct-2025

Toe-draharaha eto Madagasikara

Tsy sahy manameloka ny CAPSAT ny frantsay

Sample post image

Hita ho mitandrina be amin’izao fotoana

16-oct-2025

izao ny firenena frantsay mikasika ny toe-draharaha eto Madagasikara. Tsy sahy manameloka ny fitondràna miaramila tarihin’ny CAPSAT izy ireo. Tamin’ny alalan’ny fampitam-baovaon’ny Quai d’Orsay no nilazàn’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny frantsay fa vonona hifanampy amin’ireo vondrona rejionaly amin’ny fikarohana vahaolana amin’ny krizy i Lafrantsa. Niantso ny fitondràna miaramila koa ity firenena ity hanaja ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna. Adidin’izy ireo ny fiantohona fepetra anaty fahalalahana sy fifanajàna amin’ny fanehoan-kevitra tsy misy tahotra na tsindry na koa fitsabahan’ny firenen-kafa, hoy hatrany ny hafatra navoitra. Tsiahivina moa fa, raha ny fampitàm-baovao voaray farany, dia fiaramanidin’ny tafika frantsay no nentina namoaka ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, hiala teto Madagasikara.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-sept-2026

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena

Card image cap
17-sept-2026

isika rehefa mitazona repoblika faha 4»

Card image cap
17-sept-2026

faharavan’ny Fanjakana jadona

Card image cap