nahazo IST avy eo nesorina !
Misy fanapahan-kevitra ara-panjakana nahabe resaka teo amin’ny sehatra politika ny 16 sy 17 Martsa 2026. Nisy fiovana tampoka sy mifanohitra ny fanapahan-kevitra ara-panjakana goavana momba ny tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara na ISD (Interdiction de Sortie du Territoire) navoakan’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraly Andriantomponera Nalisoa Voagiharimino ho ana olona maromaro. Ny ampitso izany hoe omaly 17 Martsa, navoakan’ny « Parquet Général près la Cour d’Appel d’Antananarivo » ny taratasy manambara fa voafafa ny IST ho an’ny ankamaroany. Tao anatin’ny lisitra nivoaka ny 16 martsa, dia tafiditra ireo mpandraharaha lehibe toa an’i Hassanein Hiridjee sy Moustafa Hiridjee, Yamil, Yavarhossein, ary koa mpanao politika sy miaramila toa an’i Médecin Colonel Rakotomamonjy Simon Patrick, Raharinisa Voniniaina, Razafindrazaka Emmanuel dit Bolo, Raféraivo Irisoa Josea Narindra dit Jessy (Mpiambina ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina), Ramiarintjavo Marc, Holy Hanitra (douanière), Lambert Besoa Eric, Ramiramanana Patrick, ary Andriamihaja Fanomezantsoa Yves Georges dit Liva Rason. Raha raisina amin’ireo dia misy mpanao politika avy amin’ny antoko TIM, misy loholona MAPAR teo aloha, misy depiote lany tamin’ny tsy miankina, miaramila, manamboninahitra misotro ronono,… Ny ampitso, 17 Martsa, navoakan’ny Parquet Général eo anivon’ny Cour d’Appel d’Antananarivo tamin’ny alalan’ny Tonia mpampanoa lalàna ambony Razafindralambo Didier Alban ny taratasy manambara fa voafafa ny IST ho an’ny ankamaroan’ireo olona voatanisa, raha tsy voatanisa ao anatin’izany kosa ny Médecin Colonel Rakotomamonjy Simon Patrick sy Raféraivo Irisoa Josea Narindra dit Jessy, izay midika fa mbola mihatra ny IST aminy hatramin’izao. Maneho fifanoheran’ny fanapahan-kevitra ara-panjakana tao anatin’ny 24 ora monja.
MISY RAHARAHA GOAVANA ? NISY TSINDRY GOAVANA ?
Nanaitra ity toe-javatra hoe : misy raharaha lehibe mahasaringotra ireo olona ireo ve izay nahitana mpandraharaha vahiny matanjaka sy mpanao politika ary miaramila ? Inoana sy heverina fa tsy mandehandeha ho azy rahateo ny fanapahan-kevitra namoaka IST, izay raha halalinina tsotsotra dia misy raharaha heverina fa mahakasika ireo voakasika, mety ho mifandraika amina ady heloka, heloka ara-toekarena, fanohintohinana ny filaminana anatin’ny firenena, antony ara-politika,… ? Inona na nahafoana tampoka ilay IST ? Nisy tsindry goavana ? Tsara rahateo ny manamarika fa misy amin’ireo karana nampidirina amin’io no manana anjara toerana lehibe ara-toekarena eto : solika, angovo, fifandraisan-davitra,… ka nisy ve ny tsindry goavana sy fifampiresahana ? Tsindry avy amin’ny karana ve ny fahatapahan-jiro goavana naharitra ora efatra teto tamin’ny toerana sasany teto Antananarivo ny alin’ny 16 martsa ? Tahaka izany koa ny resaka solika ? Asa mety misy ifandraisany amin’ny fanadihadiana sy fitsirihana nataon’ny IGE (Inspection Générale de l’Etat) ve na ny fitsirihana samihafa mikasika ireo olona nanan-draharaha mampiahiahy tao anatin’ny fitondrana teo aloha ? Raha ny fantatra mantsy dia rahampitso 19 martsa 2026 no fotoana nokasaina hamoahan’ny Cour des comptes ireo raharaha samihafa nanaovany fitsirihana saingy tsy mbola nisy fampahafantarana ofisialy, izay mety hihemotra raha jerena amin’ny mbola tsy fitsanganan’ny governemanta. Somary hafahafa ity raharaha IST ity ka andrasana ny mety ho fanazavana ofisialy satria manahirana ihany koa amin’ny lafiny iray satria miteraka fahafaham-baraka ho an’ireo olona voakasika, raha toa ka tsy misy antony mazava akory kanefa namoahana IST izy ireo. Tsy vao izao no namoahana tahaka an’io fa efa nanaovana izany ny ankamaroan’ireo mpikambana tao amin’ny governemanta Ntsay Christian, saingy nisy ihany ny tafaporitsaka toa an-dry Naina Andriantsitohaina. Asa manao ahoana ny hafa ? Mbola voatazona sa efa afaka ?
Toky R