airtel

Politique

13-mai-2025

Toe-draharaha mafampana

Raikitra indray ny filalaovana ny fahatram-bahoaka

Sample post image

Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.

13-mai-2025

Mafampana ny fiainam-pirenena, miakatra ny fahasosoran’ny olona noho ny tsy fahombiazan’ny fitondrana, betsaka ny ambana mandindona ny mpitondra,… hany ka nidina ifotony manatsaratsara sary ? Nitsidika ireo asa fanajariana anatin’ny tetikasa PRODUIR vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena, misy olona manodidina ny 400 000 heverina hisitraka eny amin’ny Faritra iva eto Antananarivo. Fotoana nanehoan’ingahy Filoha sy ny ekipany indray ny politikan’ny filalaovana ny fahatram-bahoaka mba hanehoana fa mesia mpanavotra amin’ny andro sarotra i Andry Rajoelina. Nambara tao anatin’izany indray ny asa fanadiovana ny tanàna atakalo vary 5kg. Zava-dehibe izany, ary mety mahavita izay vitany, saingy maneho ihany koa ny fanararaotana ny fahantram-bahoaka sy fampitoniana eo anatrehan’ny fimenomenonana amin’ny tsy fahombiazan’ny fitondrana. Ny Filoham-pirenena no lasa midina ifotony maneho fa mijery sy akaiky vahoaka ka asa raha izay no tena anjara asa sy andraikiny ? Atao inona ny fokontany, kaominina, faritra, distrika, Minisitera samihafa,… ? « Isika natao hifamelona fa tsy natao hifamono. Ny Malagasy dia manankarena ara-tsaina sy ara-panahy...Sahirana izahay fa tsy mahantra... Tsy tiako mantsy ilay ampidirina ao an-tsaintsika hoe Malagasy mahantra, ataoko ny fomba rehetra hampiakatra ny fari-piainan’ny Malagasy, hampandroso ny Malagasy ary hanasoa ny tokantrano rehetra. », hoy i Andry Rajoelina. Tsy vao androany no nilazana an’izany hampiakatra ny fari-piainan’ny Malagasy izany, fa ny mifanohitra amin’izany no mitranga. Miteny ho azy ny tarehimarika sy filaharana avoakan’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny fanadihadiana ara-tsiantifika mazava, saingy teren-dRajoelina ho tsy mitombina mba hanadiovany tena amin’ny tsy fahombiazany. Ankehitriny, milahatra amin-dry Yemen, Somalie, Mali, Soudan, Centrafrique,… isika amin’ny fitotonganan’ny fivoaran’ny maha olona na ny IDH satria faha-183 amin’ny Firenena 193. Dia ny fizarana vary 5kg izay tsy maharitra ve no heverin-dRajoelina fa famelomany ny Malagasy ? Rehefa tsy mahomby ny politika ara-toekarena, rehefa tsy an’asa ny olona, rehefa miha fadiranovana ny vahoaka, rehefa mitotongana ny fahefa-mividy, rehefa tsy misy harapaka,… dia lasa mivadika ho toy ny anjely ny mpitondra tsy mahomby mizara tapa-mofo. Tsy izao ny fitantanana mahomby sy fampiakarana ny fari-piainan’ny vahoaka fa ny fananany asa mahavelona, fampiakarana ny fahefa-mividiny, fahafahany miaina tsy miankin-doha amin’ny kitolotolotra toy ilay akohon’i Hitler nampijaliany nivoa-dra kanefa rehefa tsipazana katsaka manantona ihany,… Efa hatrany amin’ny tetezamitan’ny 2009 no nanaovana izao politika fanjonoana vahoaka izao fa mby aiza ny firenena ankehitriny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap