Ezahina aroboka ao anaty fifandonana ny olom-pirenena amin’izao fotoana eo anatrehan’ny tsy fitovian-kevitra ara-politika. Nanomboka ny 10 oktobra lasa teo ny fotoana voafaritra hanaovana ny propagandy, saingy mbola eo ny fifanoheran-kevitra ara-politika. Ny andaniny mbola mitolona hisian’ny fanadiovana ny fifidianana, ny ankilany efa ao anatin’ny propagandy. Samy manana ny làlany, ary samy manana ny heviny, saingy ny zava-miseho amin’izao fotoana izao dia manomboka mandeha ny fidirana amin’ny fambolena ady sy korontana, fihantsiana, herisetra,… Tsy fombana na fiandaniana manokana amin’ny Firaisankinan’ny kandida, fa vao hoe: handeha ny fitakiana, dia efa naparitaka ny hafatra fandotoana na “tract” manasoketa amin’ny hoe: handroba, hanakorontana, handoro fananan’olona, handoro fanananam-panjakana,… Niditra tamin’ny faha-11 andro ny sabotsy teo ny diabe am-pilaminana, saingy tsy nisy na atody iray aza vaky, araka ny fitenin’ny Firaisankinan’ny kandida. Nezahina nampitenenina izao sokajin’olona samihafa toy ny mpivarotra amoron-dalana, taxi-moto,… mba hanoherana ny diabe am-pilaminana fa tsy nahomby. Niditra tamin’ny fampiasana olona hila vaniny sy hihorakoraka ary mikasi-tànana indray tao anatin’ny 4 andro farany, ka ireny niarahan’ny rehetra nahita ireny fa nitsefotra ny fikasana hanakorontana ny diabe teny Ankatso na efa nanomanana andian’olona higafy aza teo Tsiadana ka niova làlana. Tahaka izany ihany koa ilay teny Ampasika nandalo an’Andohatapenaka sy 67Ha Ary nifarana teny Vassacos Antanimena ny alakamisy lasa teo, izay niditra an-tsehatra tao anatin’ireo vahoaka mihitsy ny andian’olona miaraka amin’ny sarin’ny kandida iray, saingy tsy nisy ny fifandonana na nandeha aza ny fifamaliana am-bava. Niakatra hatrany ny daoziny, dia iny niarahan’ny rehetra nahita iny ny herisetra nataon’ireo andian’olona notarihin’ingahy Naivo Raholdina depiote voafidy teny amin’ny Boriborintany fahadimy ny zoma lasa teo. Olona maro tsy manam-po na inona na inona fa izay rehetra heverina ho mpiara-dia amin’ny kandida 11 dia nodarohana sy nanaovana herisetra, eny fa na ireo “taxi-moto”, mpiandry bus, hatramin’ny olona tany anaty taksibe voadaroka, olon-dehibe 66 taona ny mpitandro filaminana voatsiratsira,… Ny mpanao gazety nanao ny asany aza moa nanaovana herisetra sy nalaina an-keriny ny fitaovany, saingy mandeha ny famadihan-dresaka fa niantso ny olona hidaroka an’ireo volomboasary. Nitohy ny sabotsy teo ka naparitaka tany amin’ny toerana nanombohan’ny diabe ny olona nanao akanjo volomboasary izay niezaka nandranitra sy nanao herisetra hisian’ny fifandonana, saingy miezaka misoroka ny fifanandrinana ny ankilany ary mitazona hatrany ilay làlan-tsain’ny filaminana, na dia hatramin’ny kandida Tahina Razafinjoelina aza saika hokasihan-tanana ny olona nanao akanjo volomboasary teny Ampefiloha Ambodirano. Miharihary ny fihetsika jiolahim-boto fandrobohana any anaty fifandonana, manararaotra ny fandeferan’ny olom-pirenena sasany, manao izay hampitroatra,… Mihevitra ve ireo ampahan’olona fa tena azy ireo ny tany sy ny Fanjakana ka afaka manao izay tiany hatao? Misy farany io, koa samia ho ela velona, ary manainga ny olom-pirenena mahatsapa ny fahapotehan’ity firenena ity hijoro eo anatrehan’izao fanjakan’I Baroa ezahina volena eto izao ny tsy fijoroana hanohitra ny faharatsiana no isan’ny mamotika an’I Madagasikara.
Toky R
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia
Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny
Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,
Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,