airtel

Politique

29-janv-2025

Tondrozotran’ny manidintsidina

momba ny angovo Miandrandra mana avy an-danitra 7,2 tapitrisa dolara indray…

Sample post image

Any Dar-es-Salam Tanzanie nanombola ny alatsinainy teo ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina,

29-janv-2025

izay miatrika ny « Africa Energy Summit » na fihaonambe mikasika ny angovo aty Afrika. Ny fandraisan'anjaran'i Madagasikara amin'ny Fihaonana an-tampon'ireo Filoham-pirenena momba ny angovo "Mission 300" dia manamarika ny fahavononan'ny Fitondram-panjakana malagasy hiroso amin'ny fanovana eo amin’ny famokarana angovo sy fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto amin'ny firenena, hoy ny seraseram-panjakana. Nanasonia ny Fanambaran’i Dar-es-Salam momba ny angovo. Nambara fa Madagasikara dia anisan'ireo firenena manana "Pacte énergie nationale" izay tondrozotra mamaritra ireo tanjona ho an'ny angovo sy ny tetiandro hanatanterahana azy ireo. Voalaza anefa, fa mila hatrany amin’ny 7,2 miliara dolara ny Fanjakana hahafahana mampisitraka herinaratra ny 80% amin’ny Malagasy sy fahazoana angovo madio hahafahana mahandro ho an’ny 50% amin’ny mponina anefa io tondrozotra io, izay haharitra 6 taona. Ny efa misy tsy voavaha ao anatin’ny taom-piasana filoham-pirenena 15 taona ny olana, kanefa ny serasera handrakotra an’i Madagasikara no atosaka. Manao fanamby hampiakatra ny tahan’ny fampiasana angovo azo havaozina sy madio, nolazaina fa tsy resabe, fa efa mipetraka ny tetiandro sy paikady. 1000MW indray ny resaka eto ! Na ny tetibolam-panjakana isan-taona aza ve tsy manodidina ny 1,2 miliara dolara io ka iza sy avy aiza no hahazoan’ny Fanjakana Rajoelina an’io ? Voalaza mantsy hatreto, fa 10% amin’ny vola nofaritana no hovatsian’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny famatsiam-bola madiodio, ny mpiara-miombon’antoka no hitondra ny 30% amin’ny endriny trosa na « subvention », ary sehatra tsy miankina no lazaina fa hitondra ny 60%. Ny vola ankehitriny amin'ny tetikasa famatsiam-bola lehibe avy amin'ireo mpiara-miasa amin'ny ambara fa fandrosoana anefa dia tsy hiantoka afa-tsy 1,15 miliara dolara hatreto. Ireo dia ahitana ny fanampian'ny Banky Iraisam-pirenena, ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana (BAD), ny Banky Eoropeanina momba ny Fampiasam-bola (BEI), ary ny Agence Française de Développement (AFD). Mbola misy fahabangana 6,1 miliara ariary raha oharina amin'ny filàna 7,2 miliara dolara. Famatsiam-bolan’ny FEC 103 tapitrisa Euros sy tohana 100 tapitrisa dolaran’ny Banky Iraisam-pirenena aza manahirana ka tena manana ny fahaiza-manao na « capacité » handresy lahatra hahazoana 6 na 7 miliara dolara ve ny Fitondrana Rajoelina ka sao ho : balarora toy ny 400MW anatin’ny 5 taona nolazaina tamin’ny 2018?
Toky R


 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap
11-juin-2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

Card image cap
11-juin-2025

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
11-juin-2025

Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,

Card image cap