airtel

Politique

10-mars-2026

Tsaho sy fanakorontanana

saim-bahoaka

Sample post image

Miha zava-doza, goragora ny fisorohana sy fampiharan-dalàna...

10-mars-2026

Miha mahazo vahana andro aman'alina ny fanelezana vaovao tsy marina entina hampisavorovoroana saim-bahoaka. Niparitaka tato anatin'ny andro vitsy ny fandefasana hafatra amin'ny finday misoloky sy misandoka ny anaran'ny Filohan'ny fanavaozana ny Repoblika na ny PRRM milaza fa hizara vola tosika fameno ity farany, izay nanaovan'ny Fiadidian'ny Repoblika, fandisoana hentitra fa tsy nandefa hafatra amin'ny alalan'ny fifandraisan-davitra nampilaza olona fa nahazo vola ho tosika fameno avy any aminy ny Kolonely Randrianirina. "Diso sy melohina tanteraka izany vaovao izany, ary am-perinasa ireo sampana ara-pitsarana manao ny famotorana mba hahafahana mamantatra ireo tomponantok'io tranga fisolokiana io.", hoy ny Fanjakana. Tranga iray fa betsaka ireo fanakorontanana saim-bahoaka mandeha. Totoafo ireo sary sy soratra amboamboarina entina handotoana olom-panjakana ambony, toy ny fandikana vilana sy fanovana tanteraka ireo teny na lahateny nataona tompon'andraikitra ambony. Herinandro lasa teo no nilazan'ny mpitondra ambony iray fa nisy olona 2 nosamborina sy naiditra am-ponja. Na izany aza, tsapa ny goragora, tsy tena hita ny fisorohana na "anticipation" manoloana ireny tranga ireny, hany ka zary lasa mitady ho politikan'ny famonoana afo, fitantanana miainga amin'ny facebook,... Tsapa ho tena gaboraraka ny resaka mivaona sy mamoafady entina manely vaovao tsy marina sy fanakorontanana, saingy tsy tena arakarak'izany ny fandraisana fepetra sy fampiharan-dalàna. Manampy trotraka ny karazana tsy fahamalinana na «dérapage" nataon'ny mpitondra sasany raha tsy hilaza afatsy ny fiarovana olo-meloka tamin'ny anaran'ny governemanta nataona Minisitra iray tao anaty governemanta; ny fanasohasoana sy fanandratana tsangan'olona izay nitondran'ny olona maro tsikera mivaivay,... Nanaratsy endrika ny Fitondrana sy lasa bala ho an'ny mpanohitra. Mila aseho ilay fanavaozana !
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap