airtel

Politique

02-oct-2026

TSIAHIN’NY

TOLONA- TANORA GEN Z

Sample post image

Nitohy tamin’ny lalao ara-panatanjahantena omaly

02-oct-2026

Tsy nijanona tamin’ny datin’ny 25 Septambra teo ihany ny tsiahin’ny tolona ho an’ireo tanora GEN Z fa mitohy hatrany. Tamin’ny andron’ny omaly Alakamisy 01 Oktobra ohatra dia lalao fifaninanana ara-panatanjahantena notanterahina tetsy Mahamasina no nanamarihan’izy ireo izany taorian’ny lao-bary narahina ady hevitra...izay notanterahiny. Nanomboka maraina ny hetsika izay tsy nanavahana mpandray anjara hoy Randrianasolo Safidy, filohan’ny komity misahana ny fanatanjahantena Tsiahin’ny tolona. Tonga namaly ny antso araka izany ny teo anivon’ny sampana mpamonjy voina, ireo tanora HVM, ....Ny lalao baolina kitra ho an’olona miisa 7 nahitana mpandray anjara miisa 24 sy ny lalao basket baolina ho an’olona miisa 5 no nifaninanana tamin’izany. Miisa 16 kosa ireo mpandray anjara tamin’ity lalao farany, mian-dahy miam-bavy ka samy hotolorana loka toy ny lela-vola, amboara ary medaly avokoa ireo mivoaka ho mpandresy telo voalohany isaky ny sokajy. Tao anatin’ny firaisankina tanteraka no nanaovana ny lalao, izay hitohy amin’ny alalan’ny fampirantiana an-tsary hatao etsy Ambohijatovo anio Zoma 02 Oktobra. Tsiahivina moa fa ny 04 Oktobra ho avy izao vao hifarana ity hetsika Tsiahin’ny tolona karakarain’ireo tanora GEN Z ity.
Pati
Legende : Mafana tahaka izao ilay fifaninanana ara-panatanjahantena !
 

Dans la même rubrique

02-oct-2026

Hankalazaina miavaka ny 14 oktobra

Card image cap
02-oct-2026

Havadika ho asa mitera-bokatsoa

Card image cap
01-oct-2026

fa ilaina ihany koa ny goaika antitra ! »

Card image cap