airtel

Politique

08-janv-2025

Vahaolana heverin’ny fitondràm-panjakàna

Mitovy amin’ny tsy fiovan’ireo fanazavàna entiny ihany

Sample post image

15 taona mahery izay no nahenoana ny fanazavàna isaky ny misy delestazy sy tsy fisian-drano

08-janv-2025

hoe «nidina ambany be ny rano ao an-dekaleka» na koa hoe «tsy mahatosika ny toby famatsiana herinaratra atsy na aroa». Toy izany koa ny hoe «efa antitra ireo fitaovana» dia mbola tsy hita foana ve ny vahaolana hamahana izany rehetra izany hatramin’izao na dia niainga tamin’ireny karazana fanazavana be dia be nomena ireny fotsiny aza? Ny resaka varotra sy fanjifàna moa dia izao fidinana ifotony lazaina fa tampoka izao foana no atao dia lazaina foana fa misy ireo «mpanararaotra». Isan’ny fanazavana heno indraindray ihany koa ny hoe «potika ny lalana dia tsy miakatra ny vokatra». Fanazavàna izay sady heno avy amin’ireo tomponandraikitra anaty fitondràna izany no heno any ivelan’ny fitondràna dia maninona ary no io lala-migodana na «autoroute» tsy mety vita hatramin’ny farany io foana no andaniana fotoana eo fa tsy ireo lalam-pirenena izay hay ihany ny milaza azy hoe lalan-drà an’i Madagasikara no hihazakazahana ny manamboatra azy ho tena mafy sy tsara mba hisian’ny fifamezivezen’ny vokatra tsy hanahirana no sady hanafaingana ny famokarana anatiny rehetra? Fanazavàna matetika heno koa ny hoe «tsy ny filoham-pirenena» no ratsy fa ireo manodidina azy dia mbola tsy nahay naka lesona tamin’ny fomba isafidianana izay teny tokony ho mendrika hanodidina azy foana ve izany hatramin’izao ilay filoham-pirenena? Hatreto aloha izany, 15 taona mahery izay, dia mitovy amin’ny tsy fiovan’ireo fanazavàna entiny ihany ny vahaolana heverin’ny fitondràm-panjakàna hamaha ny olana eto amin’ity firenena ity amin’ny ankapobeny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap