airtel

Politique

11-févr-2025

Vahoaka noana sy miraviravy tanana

Vain’afo an-tampon-dohan’ny mpitondra

Sample post image

Mbola mihevitra aloha, hatreto ireo mpitondra fanjakana eto Madagasikara fa tena voafehiny ny zava-drehetra.

11-févr-2025

Raha atao indray mijery tokoa aloha ny zava-misy dia izay no fipetrany. Fitakiana, fitokonana , tsy fankasitrahana ny voka-pifidianana, fanehoan-kevitra etsy sy eroa.. tena misy tokoa saingy toa tsy maha rototra ny fitndram-panjakana sy ireo manampahefana fa ny ataony ihany no ataony.
LASA MIRAVIRAVY TANANA
Etsy ankilan’izay moa variana amin’ny fitadiavana isan’andro ny maro an’isa ka zara raha miasa saina amin’ny hoe raharaha politika sy fiainam-pirenena izany. Mety efa izay mihitsy anefa no tanjona, rehefa sahirana ny vahoaka dia tsy mihetsika fa manao izay ahitany vola sy sakafo , izay aloha no tena laharampahamehana aminy. Ny zava-doza amin’izay anefa dia na inona na inona izany tetikasa atao eto dia hiraviravy tanana ihany koa ireo vahoaka reraka ireo, tsy handray anjara, tsy hitondra ny anjara birikiny, tsy mbola ao anatin’ny sainy ilay hoe miara-miasa sy ny hoe tombotsoa iombonana. Tsy mampivaky loha azy firy ny hoe hanao ahoana ny ho avin’ny taranaka afaka 10 na 15 taona, tahaka izay ihany koa tsy mbola mampatahotra azy izany hoe tsy mihetsika na miiba ny fitomboan’ny harinkarena faobe.
MIFAMOTIKA NY FIARAHAMONINA
Io no mahatonga ny asa fampandrosoana, izay hany misy tsy lasa lavitra eto Madagasikara. Mijanona eo amin’ny resaka tetikasa ambony latabatra , lanonana fanombohana tetikasa sy fametrahana vato fehizoro fanombohan’ny asa, fa rehefa avy eo tsy hita …lasa mamono antoka indray aza. Io ihany koa no maha mailo sy mety tena mampalaina mihitsy aza ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka. Tsy ahitana vokany, tsy ahitana tombotsoa ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara, ny kolikoly anefa mandeha be ary maro ireo tsy maintsy hametrahana kely. Dia izao ny zava-misy, miha mahazo vahana hatrany ny fahantrana, tena miverina ny halabotry ka raikitra indray ny fangalarana fatapera sy ny loaka anaty vilany mitokona eo amboniny. Lamba miahy tonga dia manjavona, misy maka hatramin’ny voninkazo eo an-tokontany. Mahantra ny olona , tsy manana asa, tsy mahita intsony hoe hanao inona dia lasa mangalatra. Tena zava-doza anefa satria lasa hifamono ve izany ny samy any anaty fiarahamonina sy efa samy sahirana ?
RTT

 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap