airtel

Politique

16-févr-2024

Vanim-potoana mialohan’ny fifidianana

Miverina ny « Kidnapping » hitakiana vola tsy toko tsy forohana

Sample post image

Tsikaritra ho miverina sy miha mahery vaika ny fakana an-keriny na

16-févr-2024

kidnapping » amin’izao fotoana izao. Raha mbola tsy lefy ny any amin’ny distrikan’Ankazobe, dia nisy ihany koa ny tranga teto Antananarivo. Nalaza ny fisiana « kidnapping » teny Andohatapenaka ny talata 6 febroary tokony ho tamin’ny 6ora hariva, izay nitakiana volabe tsy toko tsy forohana. Efa nisy ny fikasana haka ny zanak’io olona io ny alatsinainy, ka rehefa tsy tanteraka izany dia ny rainy no nalainy an-keriny ny ampitson’io, hoy ny fanazavan’ny zandarimariam-pirenena Sampana misahana ny heloka bevava. Olona roa nitondra basy poleta no voalaza fa nanao ny asa ratsy. Vantany vao azo ny nokendrena, dia las aizy ireo niazo ny làlana Ambohitrimanjaka, nitohy hatrany Ambohinambo Talatamaty, ka navotsotra teny an-dalana ilay rangahy raha navotsotra kosa ny mpamiliny. Nomarihin’ny mpitandro ny filaminana moa, fa teratany Malagasy izy io, fa tsy karana araka ny feo niely. Nandeha ny fitakiana volabe 600 000Euros na 15 miliara Ar ny alarobia 07 febroary, ka nambara fa eny Bevalala no hanaterana izany , izay niafara ho 12 tapitrisa Ar no niafarany. Rehefa nandeha ny fanadihadian’ny zandary, dia voalaza fa ilay rangahy mpamily izay fianankavian’ny lasibatra ihany no atidoha, ka olona 5 no voasambotra izay iray vehivavy, ary nahitana mpitandro ny filaminana ny iray. Nisy roa kosa maty voatifitra nandritra ny fifandonana nisamborana ireo olon-dratsy, ka basy 1 sy fiara 1 no nogiazana. Manentana anareo. Mitohy ny raharaha « kidnapping » ary miha midangana hatrany ny fitakiam-bola satria vola tsy toko tsy forohana izany 15 miliara Ar izany. Vao ny faran’ny herinandro teo ihany koa mantsy no nisian’ilay tranga nakana an-keriny olona 3 tany Mahavelona Ankazobe, izay tafakatra 180 tapitrisa Ar no takian’ireo olon-dratsy, ny 4 sy ny 9 febroary ihany kosa dia nisy fakana an-keriny tany Ambakireny sy Ambolosy distrikan’i Tsaratanana Faritra Betsiboka, misy olona 3 lasan’ireo olon-dratsy izay sy mbola votsotra, ary volabe 140 tapitrisa notakiana,... Ny tsikaritra dia mialohana vanim-potoanana fifidianana hatrany no toa mampirongatra ny « kidnapping ». Tany amin’ny volana oktobra-novambra-desambra no isan’ny niverina nanjaka io tany amin’ny Faritra Ankazobe sy Anjozorobe sy tany Alaotra Mangoro, izay vanim-potoanan’ny fifidianana filoham-pirenena. Alohan’ny fifidianana depiote sy ben’ny tanàna indray isika dia io mirongatra io indray, ary tena midangana ny vola takiana. Fifandrifian-javatra ihany ve sa misy ifandraisany amin’ny politika ? Mety miodina any amin’ny propagandy ve ny vola azo amin’ny kidnapping ? Tena vola madio ve ny miodina ao anatin’ny politika ? Misy ny lalàna sy rafitra mamaritra ny tokony ho fangaraharan’ny vola ampiasaina amin’ny fifidianana, saingy toa mbola mijanona ho resaka ambony latabatra ireny amin’ny ankampobeny, raha tsy hilaza afatsy ny tatitra momba ny fandaniam-bola tamin’ny fifidianana filoham-pirenena efa hatrany amin’ny 10 taona lasa, saingy tsy misy manao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-avril-2025

Tsy mahantra fa ampahantraina hatramin’izao ny malagasy, hoy ny mpikatroka eo

Card image cap
30-avril-2025

Tapa-taona aty aorian’ny fanapahana tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny septambra 2024

Card image cap
29-avril-2025

Fanamby amin’ny fahantrana ity fa tsy fanamby eo amin’ny isika samy isika, hoy ny

Card image cap
29-avril-2025

Politika ivelan’ny firenena no atao hoe diplaomasia, hoy ny antoko politika

Card image cap
29-avril-2025

Tena manao izay ho afany ireo mpiaro ny filoham-pirenena sy mpiaro izao fitondram-panjakana

Card image cap
29-avril-2025

Tsy miova ny fomba fijerin’i Madagasikara amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo, dia ny famerenana »,

Card image cap