Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, hoy ny mpanao politika, Ratolojanahary Maharavo na Doudou, no hanononako ny fiaraha-miory amin’ny malagasy namoy havana tamin’izao tolona izao sy hirariako fahasalamàna feno ho an’izay naratra. Amin’ny anarako manokana kosa, hoy izy, sy amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy no hitondrako ny fisaorana anareo tanora malagasy anatin’ny atao hoe «Génération Z» noho ny toetra sy fihetsika mendri-pideràna nasehonareo hatramin’ny voalohany hatramin’izao. Tsy hoe manao tsinontsinona anareo mpitolona hafa nefa fa mankasitraka anareo rehetra fa isaorana manokana kosa ny Gen Z izay nitarika ireo malagasy tamim-pahasahiana sy tamin’ny fo tena feno fitiavan-tanindràzana. Mamelona indray ny fahasahiana sy fitiavan-tanindrazana izay efa saika maty tanteraka tanatinay manoloana ny fitiavan-tena mihoam-pampana loatra eto amintsika izany. Mamelona ny fanantenana indray aty anatinay ny mba hiainan’ny malagasy tsaratsara kokoa, indrindra, ho an’ireo taranaka manoloana ny haizina sy fahalovana misy eto amin’ny tanintsika. Ianareo no reharehanay manoloana ny fahalemenay ka tsy nahavitànay niady tamin’ireo faharatsiana izay izao hiadianareo izao. Misaotra re tompoko! Ianareo no nahavita nampiray indray ny malagasy hiaro ny tanindrazana manoloana ny loza maro iainana dia ny kolikoly, fahamaizinana, faharatsiana rehetra misy eto amin’ny tanintsika. Ianareo no handrandrain’ny kamboty sy ny mahantra, izay very hevitra tanteraka amin’ny hoavin’ny taranany. Ianareo ilay valim-bavaka nandrasanay avy amin’i Jesosy ny amin’ny hanafahana ity tanindrazantsika ity. Misaotra anareo nanaiky hataon’ny fanahy masin’Andriamanitra fitaovana hiady amin’ny asa ratsin’i Satana mangeja ny firenentsika. Tsy sasatra izahay miteny anareo hoe misaotra re ry tanora malagasy Génération Z. Voalaza ombieny anaty soratra masina fa rehefa mivory ny zanak’Andriamanitra dia eo koa i Satana. Mitandrema ianareo fa ny ratsy tsy kely lalana! Mitady hampiady anareo, hampisaraka, hanaratsy, hamono anareo mihitsy aza. Tano mafy ny fahamarinana sy fitiavan-tanindrazana. Matokia fa tsy mba irery ianareo amin’izao tolona ataonareo izao! Eo aminareo hatrany i Jesoa Kristy sy ny fanahy masina hanoro anareo izay ataonareo rehetra. Eo ihany koa izahay raiamandreny, vahoaka malagasy, zoky, zandrinareo hanome torohevitra, fampaherezana, hanampy tosika anareo amin’izay rehetra ilainareo. Tsy mijery antsika fotsiny izao tontolo izao manoloana izao fangejàna mahazo antsika izao dia ny fianakaviambe iraisampirenena izany. Efa betsaka ny fifandraisana misy amin’izy ireny amin’ny fitadiavana vahaolana. Jereontsika fotsiny manokana ny tranga ao Okrainina sy Gaza! Izao tontolo izao tsy mamela irery ireny olona azom-pahoriana ireny fa manampy amin’ny fomba rehetra azony hanafahana ny vahoaka azom-pahoriana. Olon-kendry hametrahanay fitokisana ianareo amin’ny hoavin’ity firenena ity. Jereo sahady ny lalana hamahana haingana izao olana izao, araka ny toe-panahy maha malagasy, kanefa tano hatramin’ny farany ny fahamarinana sy fahasahiana izay efa hanananareo! Misaotra anareo olobe malagasy tamin’ny sosokevitra nataonareo sahady amin’ny fiangaviana ny foloalindahy hijoro handray ny andraikiny amin’ny famahana izao krizy izao sy iarovany ny vahoaka malagasy. Manoloana ny fanendrena praiminisitra vaovao, misintona ny sainareo mpitondra fanjakàna izahay. Tsy aleo ve re tompoko aloha ny hisian’ny fitoniana ara-politika eto an-tanàna aloha no atao, hoy hatrany ny tenany velom-pisaorana ny tanora Génération Z?
J. Mirija