fivadibadihana palitao. Tsy misy henatra, ahitana mpanao politika miova antoko sy miova finoana araka izay hahazoana tombontsoa hatrany eto. Tsy ny ideolojia no mibaiko, tsy ny vina ho an’ny firenena no mitarika, fa ny vola sy ny seza aloha, dia ny sisa manaraka eny ihany. Tsy mitaingina soavaly maty e ! Ny vola no manokatra varavarana, ny seza no tanjona faratampony, ary ny vahoaka dia matetika sisa tavela ho mpijery voafitaka amin’ny fampanantenana tsy tanteraka ny ankamaroany. Rehefa fotoam-pifidianana ihany izy no tena tsaroana ! Efa lasa lasitra politika io fanaovana sakaizan’ny mpandresy io ! Rehefa tsy mahazo toerana eto dia mitady toerana any. Ny antoko sy loko politika eo amin’ny fitondrana dia lasa toy ny tsena, izay ahafahan’ny mpanao politika mividy sy mivarotra ny finoany sy ny tenany. Ny vahoaka, izay tokony ho fototra sy hery manosika ny demokrasia, dia lasa fitaovana fotsiny, ampiasaina amin’ny fotoana ilaina, ary avela ho very fanantenana rehefa vita ny fifidianana. Ny vokany dia mazava: fahakiviana ara-politika, ary fahaverezan’ny fitokisana amin’ny rafitra,… hany ka miteraka fahalainana ho an’ny olom-pirenena amin’ny raharaham-pirenena. Dia tsy mba tonga saina ve ry zalahy fa mbola manangam-bovona ? Raha mbola ny vola sy ny seza no mibaiko, dia tsy hisy ny fanavaozana lalina, tsy hisy ny fahitsiana, ary tsy hisy ny fahamarinan-toerana hipetraka. Ny politika dia hijanona ho sehatra iray feno fivadibadihana sy fomba ratsy, ary ny demokrasia dia ho lasa teny fotsiny tsy misy lanjany. Ny fanontaniana mipetraka dia tsotra nefa manindrona: rahoviana no hisy politika miorina amin’ny fahitsiana sy fahamarinan-toerana, fa tsy amin’ny vola sy seza? Rahoviana no ho tsapan’ny mpanao politika fa ny vahoaka no tena tompon’ny fahefana, fa tsy ny tombontsoa manokana? Rahoviana vao tena hahatsapa ny olom-pirenena fa tokony ho izy no tena tompon’ny teny farany ?
Toky R