Manaraka mandrakariva ny raharaham-pirenena ny vondrona politika ‘Lay Far na ‘Lay fitiavana antsika rehetra, hoy ny filohany, Georges Rafanomezantsoa. Jereny hatrany, hoy izy, ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy. Antenaina hitondra zava-baovao ho an’ny fifandraisana iraisampirenena ho an’i Madagasikara sy Afrika ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny SADC na ny vondrona ara-barotry ny firenena aty atsimon’i Afrika eto amintsika. Rehefa misokatra ny sehatra iraisampirenena dia misokatra bebe kokoa ny lafiny fandraharahana. Miteraka fanamorana samihafa toy ny eo amin’ny lafiny haba izany. Mety hiha mora koa ny fifandraisana ara-barotra. Mety midina daholo koa ny saran’ny fandraisana entana eto sy famoahana entana mankany Afrika. Azo heverina koa ny mety ho fiakaran’ny sandam-bola malagasy sy ny fitomboan’ny toekarem-pirenena ao anatin’izany. Matoa atao eto ny fihaonamben’ny SADC dia tsara izany aloha ny fifandraisan’i Madagasikara sy ny eto Afrika. Anjaran’ny fitondràm-panjakàna izany sisa no mandrindra ny resaka politika fa ny resaka diplaomasia efa tsy dia misy olana. Misy mpandraharaha be dia be tokony hanana fahafaha-mifandray eto dia isika koa manokatra varavarana amin’ny fifandraisana any ivelany. Araraotina ny hanamafisana eto fa nijoro ara-panjakàna ny taona 2020 ny ‘Lay Far ary misy tantarany ny nijoroan’izany. Ireo olona misoloky ny anaran’ny ‘Lay Far ankehitriny dia sady tsy mpikambana mpanorina azy no tsy mpikambana anaty birao. Sady misoloky no misandoka ilay anarana ireo ary mahasahy miteny eny amin’ny haino aman-jery rehetra hoe filoha nasionalin’ny ‘Lay Far na filoha lefitry ny ‘Lay Far. Ny tenako Rafanomezantsoa Georges ihany no filohan’ny ‘Lay Far ary mbola tsy nanendry ny Jeneraly Lumène ho filoha lefitra nasionalin’ny ‘Lay Far izany ny tenako. Tsy tomponandraikitra amin’ireny zavatra ataony eny amin’ny Facebook sy fahitalavitra ireny izahay. Tsy ohatran’ireny ny fomba fiady hevitry ny ‘Lay Far. Ny ‘Lay Far dia mametraka lamin’asa diplaomatika sy am-panajàna tanteraka rehefa manao adihevitra fa tsy manao gidragidra na mitondra ady sy olana eny amin’ny fahitalavitra ho hitan’ny vahoaka. Hitanareo izao fa tony tsara aho rehefa miteny sa tsy mampianatra ny olona hitabataba eny amin’ny fahitalavitra. Manenika an’i Madagasikara ity vondrona ity ka raha misy olona iray miteniteny foana amin’ny anarany fotsiny dia ilay vondrona iraimanontolo no lasa afabaraka ka tsy tomponandraikitra amin’ny ataon’ny Jeneraly Lumène sy ry Mamitiana izay milaza fa mpikamban’ny ‘Lay Far ireny izahay fa tsy ‘Lay Far ireny aminay! Efa nandray fepetra mikasika azy ireny moa ny prefektioran’Antananarivo sy ny minisiteran’ny atitany. Efa napetrakay ao amin’ny sekretaria jeneraly ny mikasika ny fisandohana ny anaran’ny ‘Lay Far. Efa nametraka izany tao amin’ny talen’ny kabinetra sy ny tale jeneraly misahana ny politika ao amin’ny atitany mikasika izany koa izahay. Tena handray fepetra sy fanenjehana ara-pitsaràna izahay mikasika ny fisandohana ny anaran’ny ‘Lay Far, hoy hatrany ny filohan’ny ‘Lay Far.
J. Mirija