politika RNR na «Rassemblement national pour la refondation», izany hoe, vondron-kery nasionaly ho an’ny fanavaozana tetsy Behoririka omaly ny tondrozotra haroson’izy ireo ho an’ny fitondràna fanavaozana amin’izao fotoana izao. Tondrozotra ho an’ny tetezamita mankany amin’ny repoblika faha 5 no omena, hoy izy ireo. Kendrena ao anatin’izany ny ahatongavan’i Madagasikara any amin’ny fitondràna vaovao mifototra amin’ny famarinan-toerana ara-politika, ny famerenana ny fanjakàna ary fanantanterahana ny fanirian’ny vahoaka malagasy hampitsahatra tanteraka ireo krizy miverimberina. Miisa 7 ireo teboka anatin’izany tondrozotra izany ka eo ny rafitra ara-dalàn’ny tetezamita mifototra amin’ny fanapahan-kevitra laharana faha 10/D3 an’ny HCC ny 14 oktobra 2025 an’ny tetezamita, izay nanankina ny andraikitry ny filoham-panjakàna tamin’ny Kolonely Randrianirina Michael. Zava-dehibe ny hifantohan’ny rafitra tetezamita hanarenana ny firenena sy ny fialàna amin’ireo fotokevitra lehibe tsy mifanitsy amin’ireo laharam-pahamehana anatin’izany. Rafitra mifanaraka amin’ny fanavaozana no hatsangana sy hamafisina. Asiana manam-pahefàna ambony ho an’ny fanavaozana, filankevitra ambony ho an’ny fiarovam-pirenena, fitsaràna ambony ho an’ny fanavaozana, filànkevitry ny fampihavanam-pirenena malagasy miaraka amin’ny fandraisan’anjaran’ny FFKM, manam-pahefàna ara-dalàna ary tafika tsy manao fiandaniana. Ny teboka faha 3 dia fifampidinihana nasionaly ho an’ny rehetra sy voahomana. Ny iraka voalohan’ny tetezamita dia fampivondronana ny antoko politika, fiarahamonim-pirenena, tanora, vondrom-piarahamonina ambanivohitra, diaspora manomboka amin’ny fokontany hatramin’ny nasionaly. Ny fanentanana fanabeazana sivily sy ara-tantara, izay tanterahina amin’ny alalan’ny haino aman-jerim-pirenena sy samihafa, tambazotran-tserasera, fiangonana, fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena. Ny fahaefatra dia fampihavanam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana maharitra. Hifantoka amin’ny fanabeazana maha olompirenena ny asa, fitsinjaram-pahefàna, fandaminana ny tafika, tsy fanavahana fivavahana, satan’ny mpanohitra, fitovian-jo eo amin’ny lahy sy vavy, fampifandraisana ny taranaka mifandimby, fampandrosoana tontolo ambanivohitra, fiandrianam-pirenena. Fototry ny lalàmpanorenana amin’ny hoavy ireo fitsipika ireo. Lalàmpanorenana ho avaozina ho an’ny repoblika fahadimy no teboka fahadimy. Fanavaozana lehibe, fokontany, vondrom-piarahamonina fototra misy sefo voafidy. Ny fahefàn’ny solombavambahoaka voafetra. Zom-pirenena malagasy irery ihany no ho an’ny filoham-pirenena. Fifidianana isam-paritra sy solombavambahoaka no mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena. Fifidianana azo itokisana, azo antoka, mangarahara no teboka faha 6. Fananganana rafitra mahaleotena vaovao hanoloana ny CENI teo aloha sy fitsaràna manokana momba ny fifidianana. Ny teboka faha 7 farany dia ny fandraisan’anjaran’ny vondrona iraisampirenena. Fanarahana hentitra ny fotokevitra momba ny tsy fitsabahana ny raharaham-pirenena, miaraka amin’ny fanohanana ara-pitaovana sy ara-bola ary antenaina hiaraka hanangana Madagasikara ho any amin’ny fitoniana politika. Atolotra am-panajàna ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’i Madagasikara mba hankatoaviny izao tondrozotra izao saingy ny fikaonandoham-pirenena ihany nefa no ahafahana mamaritra ny tena tokony atao eto amin’ity firenena ity. Hita hoe vonona izao fitondràna izao matoa tohananay, hoy hatrany ny RNR!
Nangonin’i J. Mirija