ho filohan'ny fanavaozana ny repoblika malagasy ny vondrona iraisampirenena SADC na ny vondrona ara-toekarena misahana ny tapany atsimon'i Afrika, raha adika malalaka. Nahitana izany farany teo ny fanasana mikasika ny fihaonan'ireo mpikambana ao anatin'izany amin'ny alalan'ny fampitan-davitra ny 7 novambra 2025. Isan'ireo voasoratra ho afaka nanatrika sy nandray anjara tao anatin'izany ity filoham-panjakana malagasy ity. Azo lazaina ho mihazakazaka ihany koa etsy ankilany ny fankatoavana ny fijoroan'izao rafitra itantanana an'i Madagasikara izao ho any amin'izay heverina hoe fanovana na fanorenana ny firenena izay mihitsy, raha ny fampitam-baovao samihafa voaray hatrany aloha. Efa samy nandalo teo avokoa na ny Vondrona eoropeanina na ny firenena frantsay, hatramin'ilay vondrona afrikanina izay niseho nanasazy tany am-piandohana aza io iaraha-mahita tonga manambitamby eto an-toerana io.
J. Mirija
Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena