airtel

Politique

09-oct-2026

Vondrona

sy vovonana politika samihafa

Sample post image

Manentana ny herivelona rehetra hifanatona

09-oct-2026

Tsy ho faty Ankaranana anie ny tolona fanarenana ifotony, hoy ny vavaka nasandratr'ireo vovonana sy vondrona politika niray feo tetsy amin'ny Le Pavé Antaninarenina, omaly. Tao ny vovonana loharano, ny vondrona Ampandrana, ny HPM, G5, Tafita, Dimbin'Iarivo, Vato nasondrotry ny tany. Hiazakazahana izao ny hankalaza ny 14 oktobra, hoy izy ireo. Tsapan'ny mpandinika maro nefa fa mitsingoloka tanteraka ity resaka ity. Ny lalan-tsaina tokony izorana ve no tsy voafaritra sa ny tetika hahafaty ankararanana ny fanarenana ifotony mihitsy no efa maty paika sy nahazoana baiko hentitra? Tsy re feo ny resaka nosy manodidina tany amin'ny firenena mikambana sy ny fifanarahana Volobe. Mandady ny trambo. Tsara lambolambo ny fitaky ny tsimativoalavo an-kibo ka mitandrema isika malagasy tsy ho faty an-karanana ny fanarenana ifotony! Entanina ny mpanao politika sy ny herivelona rehetra mba hifanatona sy hifanome tanana amin'ny fampitoviana fomba fijery sy fandrafetana lamin'asa iarahana ary fananganana rafitra hiatrehana ny asa atao rehetra. Mivonona avy hatrany amin'ny dinika politika mahafaobe ilain'ny zava-misy eto amin'ny firenena no ilaina, hoy hatrany ireto vondrona sy vovonana ireto.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

09-oct-2026

teto, nofy ratsy ho azy mianakavy…

Card image cap
09-oct-2026

Miroso hatrany amin’ireo asa

Card image cap
09-oct-2026

hamafisina ny fanorenana!"

Card image cap