Tantara efa niainan’i Madagasikara, fara fahakeliny, in-droa na in-telo izao iainantsika izao, hoy ny mpanao gazety sady mpahaiolona, Vonison Andrianjato. Rehefa ny tendri-po tsy mba namana, hoy izy, no lasa alohan’ny adivarotra politika dia matetika tonga amin’izao. Nosoavin’Andriamanitra ho nosy tokana i Madagasikara. Miteny amin’ny teny tokana. Manavotra be dia be an’i Madagasikara ny harenany ara-pitenenana. Rehefa tena tapi-dalan-kaleha ny olona tia fahefàna loatra mahita ny zava-miseho eto Madagasikara ka mahita ny zava-miseho ankehitriny isika dia miara-manaiky fa anjaran’ny «Grand Sud» izao no mitondra an’i Madagasikara. Tsy misy hoe fankatoavana ofisialy sy toy izany io fa fankatoavana ara-panahy mihitsy. Ny fankatoavana ara-panahy no mampiavaka an’i Madagasikara satria tokana ny tenintsika. Misy fifandrifian-javatra ny hoe fiteny tandroy no teny mampiharo ny teny malagasy. Ny fiteny tandroy no latin gasy. Rehefa hainao io dia hainao daholo ny fiteny rehetra eto Madagasikara. Ny mpitondra teto izahay nahazo tamin’ny barofo ny fahefàny dia nanararaotra ny vintana moramora izay tsy nilàna koromoromo mihitsy ny fomba fanarenana ity Madagasikara ity. Rehefa tena niandry isika, nitaky izany fahaleovantena izany, rà mandriaka tsy nisy toy izany ny 29 martsa 1947. Rehefa tena samy nanaiky ny zanaky ny firenena fa hiverina amin’ny fahaleovantena ny fiandrianan’ny firenena ka repoblika no atrehina dia tadidio fa ny haiolona na «anthropologie» handrindràna izany dia ny hoe foko tsy manana mpanjaka no lasa nitondra an’i Madagasikara. Tsy tongatonga ho azy fa fandaminana voajanahary sy ara-panahy izao ho an’ity Madagasikara ity. Mbola tsy afaka hilaza androany hoe tokony hahomby izao fanjakàna mijoro izao nefa inoana fa miainga amin’ny zava-misy sy natao teto dia mila lalana azo trandrahana mankany amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Miainga amin’izao dingana lalovan’ny firenena izao izany. Ny fiverenana tanaty fifandimbiasana jeografika na «alternance géographique» tanindrana na «côtier» lavareny hiditra tendron-tany na «plateau» ny taona 2001 no niteraka ny tahaka izao. Vita indray izany izao ny fifandimbiasana teo amina faritra maromaro tandrefana, tavaratra, tanivo, tantsinanana dia miditra amin’ny tatsimo isika. Misy ny mahana manoloana izany satria «alternance géographique spirituelle» na fifandimbiasana ara-jeografika sy ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao. Hiady amin’izany ve isika? Manana hery hanoherana izany ve izao ny zanaky ny firenena? Fifanomezan-tanana sy hevitra mankany amin’ny fahafaha-miara-mizaka eto amin’ny firenena izao no heverina fa tokony hahamaika antsika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija