airtel

Politique

10-févr-2026

Vonison Andrianjato

«Olona tena mahalala an’i

Sample post image

Madagasikara avela manapa-kevitra!»

10-févr-2026

50.000km ny lalana misy eto Madagasikara, hoy ny mpanao gazety, mpamakafaka, minisitry ny serasera teo aloha, Vonison Andrianjato. 5000km aza tsy vitantsika, hoy izy. Vao tsy mahazo kitolotolotra dia potika daholo izany dia io fa mifanebaka eto daholo. Lalana 1km amin’ny banky iraisampirenena hatramin’izay ka hatramin’izao dia mira 1 tapitrisa Dolara. Ny 1 tapitrisa Dolara fony 50 Franc malagasy ny 1 Dolara dia tsy mitovy amin’ny hoe 1 Dolara mira 20.000 Franc malagasy. Tsy tonga sain ave isika hoe inona no mahazo antsika? Vonoina isika fa tsy mahalala izay ahafaty antsika. Inona izany izao no nalehan’ny praiminisitra tany Paris? Tsy misy mahafantatra. Ny filohan’ny fanavaozana lasa any Dobay. Tsy misy mahafantatra. Toy izany koa ny filohan’ny antenimieram-pirenena. Inona daholo izany hetsika mampitsangam-bola izany? Mitady zavatra sarotra isika nefa efa ireo ny harem-pirenena hitantanana ny firenena. Ny atao hoe «frais d’approche» antsika eto aza tsy fantantsika. Hoy ilay minisitry ny vola tamin’ny fotoan’andro hoe ny iraisampirenena no mahatonga ny saran’ny fadin-tseranana lafo be. Efa nilaza izay tamin’izany hoe fiandrianam-pirenena ny hetra ry madama. 1000 Dolara io taloha dia izao lasa 12.000 Dolara. Inona ary izany ataontsika izany? Esory any ilay 12.000 Dolara rehefa ahafaty ny vahoaka malagasy! Aleo mifantoka amin’ny harinkarena anatiny na PIB. Dia hoe izao isika vao tena hanao fampandrosoana hijery ny any Bealanana, Kaizina, Lac Alaotra, Fifabe, Marovoay miitatra amin’iny ilany avaratra andrefana iraimanontolo iny. Saha Mangoky izany rehetra izany, izay nanondranana ny Madrigal, no natao hoe «pole de développement» na sompitry ny fampandrosoana teto Madagasikara. Izao isika lasa manitatra hoe lala-migodàna mandalo an’i Zahamena sy ny tohiny rehetra. Tsy izany nefa no tanjona tamin’izany fa ny hanamboatra an’io voly varin’i Marovoay io. Toamasina mankany Marovoay dia io Ambatondrazaka, Antananarivo, Moramanga io. Ilay fampandrosoana an’i Madagasikara mihitsy no tsy azon’ilay olona mitondra. Ny Amiraly Didier Ratsiraka, taona 1980, nanafatra kamiao zavontany avy any Espagne sy Roumanie. Nananganana orinasa isaky ny faritany namoahana an’io varin’i Bealanana io satria tratran’ny zafikeliny ilay vary. Ny tongolo maimbo nanomboka Mampikony hatrany Bealanana satria tsy tafavoaka. Izany minisitry ny tetibola izany isaky ny misy olana ara-bola dia tokony avy hatrany dia mahita vahaolana fa io tsy azo atao an’izany hoe aleo aloha miandry! Olona tena mahay ny fiainan’ny atao hoe vahoaka malagasy no tokony ho minisitry ny tetibola! Rehefa tsy manana vahaolana tsy tokony hampiandry izany! Rehefa te handray karama androany ny olona dia tsy maintsy misy vola anaty kitapom-bolam-panjakàna. Olona tena mahalala an’i Madagasikara avela manapa-kevitra, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap