airtel

Politique

23-nov-2023

Vovonana MMS sy Antoko Ilo Mada

« Atsaharo ny fikasan-dratsy hanimba ny PAN »

Sample post image

Namoaka fanambarana maneho fa manohitra marin-drano ny mety ho teti-dratsy samihafa

23-nov-2023

hoenti-manimba sy manao antsojay ny Filohan’ny Antenimierampirenana na ny PAN Rtoa Christine Razanamahasoa ny Vovonana MMS na «Mouvement pour la Majorité Silencieuse » sy ny Antoko Ilo Mada ny andron’ny omaly, notronin’ireo fikambanana samihafa mitovy hevitra aminy. « Manoloana ny savorovoro politika misy eto amin'ny tany sy ny firenena, misy ny fizirizirian'ny antoko politika sasantsasany dia hita taratra, hitanay, hitam- poko, hitam- pirenena fa nijoro sy nihaino ianao ary tsy nanao fitsarana mitanila fa nandray andraikitra mba hisian’ny fanelanelanana hialana amin’ny krizy izay tena lalina eto amin’ny tany sy ny firenena », hoy izy ireo mantsy ny PAN. Notsipihina fa tsy misy heloka amin’ny fiantsoana fifampidinihana hikaroham-bahaolana ho an’ny firenena. « Mitaky, mijoro ho mpanelanelana hatrany ianao ary miantso ny ray amandreny rehetra isan- tsokajiny mba hiara hitaky sy hikatsaka ny rariny eto amin'ny firenena », hoy izy ireo nankasitraka ny PAN. Nambara fa nametraka ny laza sy ny lanjan' izany Antenimierampirenena io Filohana andrim-panjakana io, mba hanjakan’ny antsoina hoe demokrasia. Noho izany, dia manao antso avo izahay, amin’ireo tompon’andraikitra maro samihafa izay manana fikasan- dratsy hanimba an- dramatoa filohan’ny Antenimieram- pirenena Christine Razanamahasoa nanomboka tamin’ny fanambarana izay nataon’ny ankolafin- kery rehetra manerana an’I Madagasikara mandraky ny mason’andro androany, fa mety hialàna amin’ny savorovoro, ny mba hanatsahatra tanteraka ny mety ho fanenjehana fa tsy hitondra fampivoarana sy fampandrosoana eto Madagasikara izany. Mijoro izahay hampanjaka ny tany tan dalana ary miaro ny fotokevitra hijoroan'ny filohan’ny Antenimieram- pirenena izay mikatsaka hatrany ny fisia'ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy ny fanambarana niraisan’ny MMS sy ny Ilo Mada.
Toky R

 

Dans la même rubrique

10-nov-2025

Mankato ny Kolonely Michael Randrianirina

Card image cap
10-nov-2025

ny fanapahan-kevitra taitaitra

Card image cap
10-nov-2025

fitondrana izao, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
10-nov-2025

Efa nanantitrantitra ary nampiaka-peo

Card image cap
07-nov-2025

andresena ny fitsabahan’ny any ivelany»

Card image cap