Maniry ny hanaovana malaky ny fikaondoham-pirenena ny Vovonana RALI (Rassemblement des agriculteurs Indépendants) tarihin'ny Filohany Atoa Linot Ralaimahary. Ny antony, hoy izy, dia efa mametraka fanantenana sy fitokisana amin'io fikaondoham-pirenena io ny ankamaroan'ny Malagasy. Amin'izy ireo, azo lazaina ho misy krizy politika isika amin'izao na ao anatin'ny fanavaozana aza, ka any no mikaro-bahaolana satria mbola tsy tena mazava tsara rahateo ny lalan-kodiavina sy tiana hahatongavana amin'izao zava-misy izao. Nanamarika ny RALI fa tsy afa-po tamin'ny fikaondoham-pirenena savaranonando satria tsy tratra antso, kanefa ahitana azy ireo daholo ny faritany 6 sy faritra 24 eto Madagasikara. Tsy fantatro izay antony ka asa hoe: misy ve sanatrian'ny vava ny kiantranoantrano fa raha ny marina ny fikaonandoham-pirenena izany dia tokony ho mandray anjara daholo ny olom-pirenena Malagasy, hoy hatrany Linot Ralaimahary. Mikasika ny fanemorana ny fikaonandoham-pirenena, amin'ny RALI dia heveriny fa te hanana ny tsara satria tsy nahafa-po ny savaranonando, araka ny fanamarihany hatrany. Tany Vakinankaratra ohatra araka ny filazan'izy ireo dia toa nisy natao tahaka ny sarika am-pandriana sy an-kanavakavaka satria tsy tratra antso daholo ny rehetra, ka mety fanarenana ny tsy fahatombombanana ny fanemorana, ka enga anie mba ho tena izay fa tsy ilay ambadika politika araka ny feo mandeha. Manoloana ny hoe mimenomenona ny mpanohitra kosa, nahitsy ny tenany nilaza fa tsy manana fotoana hanaovana adilahy politika elabe i Madagasikara, ary anatin'ny fahantrana lalina sy mangitsokitsoka ny Malagasy, ka fitadiavana vahaolana malaky no lalana, ary nanamafisana sy nanentanan'ny Vovonana RALI ny Fanjakana hiroso malaky amin'ny Fikaondoham-pirenena, izay andrandrain'ny maro hivoahan'ny vahaolana. Ara-politika, milaza ity vovonana ity fa tsara raha fidiana ny sefom-pokontany satria tsangan-tanana izany dia vita, tsy ilàna teti-bola be.
Toky R
Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana
Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »