airtel

Politique

18-mai-2026

ZAZA RAMANDIMBIARISON

"Mila fifidianana madio sy azo itokisana isika

Sample post image

mba tsy hiverenan’ny krizy"

18-mai-2026

Araky ny tolo- kevitra avy amin’my CENI dia hiatrika fifidianana ny Filoham-pirenena isika Malagasy amin’ny volana oktobra 2027. Tsy tokony ho fotoanan’ny krizy sy fifandirana intsony ny fifidianana, hoy ny fanehoan-kevitr'i Zaza Ramandimbiarison fa fotoana hanamafisana ny fitokisan’ny vahoaka sy ny fahamarinan-toeran’ny firenena.Tsy afaka hiaina krizy isaky ny fifidianana intsony i Madagasikar, hoy ity praiminisitra lefitra teo aloha ity. Tsy mila fisarahana, fa mila fifampitokisana. Ary izany fitokisana izany dia manomboka amin’ny lalàna mazava, hoy izy. Noho izany hoy izy dia mila :mangarahara ny lisi-pifidianana sy ny vokatra ; tena mahaleo tena ny rafitra mpikarakara fifidianana ; mitovy zo sy vintana ny kandida rehetra ; ary tsy hampiasaina amin’ny politika ny fahefam-panjakana sy ny volam-bahoaka. Tsy rariny ary tokony tsy azo ekena intsony raha misy efa mahazo tombony satria nandalo teo amin’ny fitondrana, na nanankarena noho ny tombotsoa azo tamin’ny Fanjakana , na nampiasa na afaka mampiasa ny fanjakana hanomanana ny fifidianana sy akany my fitondrana-panjakana. Isany antony lehibe mahatonga ny krizy io, raha ny hevitr'i Zaza Ramandimbiarison Ny demokrasia salama dia tsy miorina amin’ny tombontsoa azo avy amin’ny fanjakana, fa amin’ny fitovian-jo, fahamarinana ary fahatokisan’ny vahoaka, hoy izy.Ary amin’izao fotoanan’ny fanavaozana izao dia mila apetraka ihany koa ny tena fanontaniana : ahoana no hananganana rafitra politika sy andrim-panjakana tena mahomby, marin-toerana ary maharitra ho an’i Madagasikara ?
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

21-mai-2026

fikaonandoha fa tsy hoe olona avy any an-dapa»

Card image cap
20-mai-2026

Nesorina ny zo fiarovana ara-parlemanta na ny

Card image cap