airtel

Politique

22-nov-2023

Zotram-pifidianana

Natsikafon’ny KMF

Sample post image

Nahitsy ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nandritra ny tatitra nataony momba ny

22-nov-2023

fanaraha-maso ny fifidianana omaly 21 novambra raha nanao tatitra ny fanaraha-maso ny zotram-pifidianana, fa very hasina ny fifidianana eto Madagasikara. Ny KMF/CNOE no isan’ny mpanara-maso nana solontena nipariaka nanerana ny Faritra 23, nandritra ny androm-pifidianana Filoham-pirenena, ny 16 novambra teo. Birao fandatsaham-bato 1 376, ivon-toerana fandatsaham-bato 738, miisa 644 ny mpanara-maso nisandrahaka tamin’ny distrika 69 narahin’izy ireo maso, ka ny 50 no nahazotohana ara-bola avy amin’ny OIF, hoy ny tatitra. Maro ireo lesoka sy tsy fahatomombanana, ary ny ahiahina kolikolim-pifidianana. Mbola nisy tovana lisi-pifidianana ny 15 novambra, tsy voahaja intsony ny «principe de gel de la liste», izay tsy ahafahana mikitika ny lisitra. Nisy lisitra tovana nandritra ny fifidianana, izay tsy nisy porofo fa voasoratra ao anaty lisi-pifidianana marina ny olona, toy ny tao Miandrivazo, hoy ny Filoha Nasionalin’ny KMF/CNOE Atoa Robert Namearison. Nisy olona efa maty talohan’ny fanaovana fanavaozana ny lisi-pifidianana no mbola tafiditra tao, ka isan’ny nahitana izany tao amin’ny Fokontany Ikianja Kaominina Ambohimangakely, Andraisoro Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,… Misy mpanara-maso tsy navela nifidy na dia nanana taratasy fanendrena aza,... Nahitana « plis » miisa 20 tsy nihidy tany amin’ny Distrikan’i Betafo, kaominina Tritriva, Alakamisy Anativato, ary Antsoso, izay naterina tao amin’ny Delege na CAA ary najanona tao ny alina, ary ny maraina vao niverina ny Mpikamban’ny Birao fandatsaham-bato. Nisy tahaka izany ihany koa tany Maroantsetra, Mahabo,…
AHIAHINA KOLIKOLIM-PIFIDIANANA, TSY FAHAMARINAN-TOERANA
Arakaraky ny maha lavitra ny renivohitra no mampiakatra ny taham-pahavitrihana, nefa mampitombo ny herin’ny sefo Fokonty (pasipaoro, bokin’omby) satria tsy vitsy anefa ny lehiben’ny Fokontany mandray baiko avy amin’ny mpanao politika na ny mpitondra fanjakana. Mandeha ny feo fa hisy ny fizarana vola na fampanantenana ka hahazo tombontsoa manokana rehefa lany ny kandida iray, ary misy ireo nizarana tapakila na « ticket » momba izany, hoy hatrany ny fanazavana. Anisan’ireo toeram-pandatsaham-bato nahitana taha ambany indrindra tamin’izay narahan’ny Fikambanana maso ny 13,64% tamin’ny birao fandatsaham-bato iray teto Antananarivo, raha toa tany amin’ny distrika Antsalova 35,61% ny taona 2018 ; ary ny fihodinana faharoa kosa tao amin’ny distrika Ikalamavony izay 25,37%. Tamin’ny 10 ka hatramin’ny 5ora raha ny hitako tao Miandrivazo dia tena tsy nisy olona, hoy ny Filohan’ny KMF/CNOE. Nisy 100% kosa tany ambanivohitr’i Marolambo. Ity no fifididianana nahitana taha fandraisan’anjara ambany indrindra : 53,23% ny fihodinanan voalohany ny 7 Novambra 2018 ary 48,09% fihodinana faharoa ary ity mbola baraingo ary misy ny ahiahian’ny olom-pirenena momba ny fikirakirana io taham-pahavitrihana io. Miteraka tsy fahamarinan-toerana ara-politika sy ara-toekarena io, raha ny nambaran’ny KMF/CNOE. Ny mponina amin’ny renivohitra izay tena mpandoa hetra, ohatra, no isan’ny tsy narisika nifidy, izay midika zavatra goavana. Làlana roa no azo hivoahana hananan’ny fanjakana hijoro eo « légitimité », dia fifampidinihan’ny herivelona eto amin’ny firenena mba hiara-hikaondoha amin’izay hitondrana ny firenena hialàna amin’ny korontana ; na Fampiasana herisetra, izay tsy mahasoa ny Malagasy, hoy ny KMF/CNOE.
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-mai-2024

Mila fahasahiana ny fanovana hisian’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena hoy ny

Card image cap
10-mai-2024

Ny 01 mey lasa teo no efa nanomboka nivoaka ny vaovao fa nahazo fahafahana vonjimaika ny

Card image cap
10-mai-2024

Porofon'ny fahavononana hampihatra ny demokrasia izao dingana lehibe izao,

Card image cap
10-mai-2024

Kaominina 3 no notsidihan'ny kandida depiote HONTY RAZAFITRIMO tao amin'ny distrikan' Ankazobe

Card image cap
10-mai-2024

Vavaka no nisantarany ny fampielezan-kevitra ho an’ny kandida Avotra sy Jimmy laharana fahatelo,

Card image cap
08-mai-2024

Tsy mitanila amin’ny kandidam-panjakana marina ve ny rafitra mpikarakara ny fifidianana ary

Card image cap