airtel

Sosialy

07-juil-2021

Sosialy

Ady amin’ny kere Mila 100 tapitrisa dolara ny fampidiran-drano any Atsimo

Sample post image

Manodidina ny 100 tapitrisa dolara no vola ilain’i Madagasikara amin’izao fotoana hanatanterahana ny tetikasa goavana fampidirina rano fisotro madio any atsimo izay ianjadian’ny kere

07-juil-2021

hoy i Michel Saint-Lot solontenan’ny UNICEF eto Madagasikara.Raha nanao fampidiran-drano tamin’ny 14 taona lasa anefa isika dia 60 tapitrisa dolara no nilaina.Vidiana lafo arak’izany ny fitavozavozana na fitarozahan’ny fanapahan-kevitra.Tsy ho tahaka izao ny zava-misy raha natao araka ny tokony ho izy ny fampidirana rano fisotro madio tany Atsimo nandritra izay 30 taona izay. Ny tena mahagaga amin’ity resaka kere sy olan’ny tsy fahampian-drano ary ny fahoriana mianjady any atsimo ity dia to any vahiny indray no tena taitra sy mikorapaka ary tena mahavoaka teny mahery ny sasany fa ny fitondram-panjakana dia variana amina na zavatra hafa; tsy ampy fampitam-baovao sy serasera rehefa hitantara ny asa natao sy hatao saingy raha hanenjika olona dia mailaka ery.Efa ho roa herinandro izao no nampalaza ilay hoe mihinana hoditr’omby ireo olona kere any atsimon’i Madagasikara ary nivoaka tamin’ny haino aman-jery Frantsay sy Amerikana izany saingy tsy dia naharesy lahatra ny rehetra ny valin-kafatra avy aty amin’ny fanjakana Malagasy ary dia nafatratra any amin’ilay mpanao gazety ny tsiny rehetra, ny vahaolana amin’ilay fototr’olan’ny kere mbola mmanjavozavo.
RTT

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap