airtel

Sosialy

28-juin-2022

Sosialy

Afon-tsaribao, voninkazo Tsy azo ahiboka ao an-trano amin’ny alina

Sample post image

Olona 4 no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny afon-tsaribao teny Tanjombato Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo.

28-juin-2022

Noho ny hatsiaka mamirifiry mandritra ny alina no nanosika ireo olona ireo hampirehitra afo tao an-tokantranony ka sempotra vokatry ny dioxyde de carbone niparitaka izy ireo. Tsy ny afon-tsaribao ihany hoy Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana no mety hahafaty amin’ny alina fa ny voninkazo velona maniry ihany koa. Samy tsy azo hatao ao an-tokantrano avokoa ireo amin’ny alina hoy izy indrindra fa ao amin’ny efitrano fatoriana noho ny famoahany io dioxyde de carbone io. Ny mitroka ny oxygène izay tokony ho fohantsika olombelona amin’ny alina indray aza no hataon’izy ireo hoy hatrany ny fanazavan’ity tompon’andraikitra iray ity ka ilana fitandremanabe. Nomarihiny manokana moa fa fanina ny olona tratran’ny fofom-tsaribao amin’ny voalohany. Mihena tsikelikely ny heriny ary mety ho torana izy, tranga izay mitarika mankany amin’ny fahafatesana rehefa tsy misy rivotra iainana intsony sy tsy voavonjy haingana.
Pati
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Nosokafana omaly tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny varavarana misokatra ho fanamarihana ny andro

Card image cap
30-avril-2024

Olona miisa 1.250 no lasibatra Mahazo vahana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika

Card image cap
29-avril-2024

Tapa-bolana taorian’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao Toamasina,

Card image cap
29-avril-2024

Lasa fidiram-bola tsy azo antenaina firy intsony amin’izao ny fandraisana hofantrano isam-bolana,

Card image cap
29-avril-2024

Tany Antsohihy vao hita i Christiano sy ilay mpitaiza azy , zaza faharoa tsy hita tao Mahajanga ny Zoma 26 Aprily lasa teo.

Card image cap