airtel

Sosialy

10-août-2022

Sosialy

Ambasadaoro Amerikanina Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo

Sample post image

Sambany nitsidika ny faritra atsimon'i Madagasikara izay tratry ny haintany ny Ambasadaoro Amerikana Pierangelo. Nanamafy ny fanohanan’i Etazonia ny fampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika

10-août-2022

na “résilience” azy izy nandritra ny herinandro voalohan’ny volana aogositra nitsidihany tany Atsimo toy ny tany Ampanihy, Ambovombe, Beloha,... Isan’ny nohamafisiny ny fanampian’ny vahoaka amerikana, anisan'izany ny 2,1 tapitrisa dolara avy amin'ny Departemantan'ny Fiarovana ao Etazonia, izay nahafahana nanohana Malagasy maherin’ny 1,5 tapitrisa tamin'ny fiatrehana ny haintany ary nanavotana ain’olona maro nandritra ny amehana sy ny mbola hanavotana fianakaviana maro amin’ny alalan’ny vahaolana lavita ezaka. Nandritra ny fitsidihana izay naharitra dimy andro, nanatri-maso ny fiantraikan'ny fikorontanan’ny toetr’andro amin'ny mponina eny ifotony sy ny maha-zava-dehibe ny fanohanan’i Etazonia, amin'ny alàlan'ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID), ny fanjariantsakafo any Atsimo, izay iarahana miasa miaraka amin’ny Firenena Mikambana, ny ONG na fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ary ny Governemanta Malagasy. Ny governemanta amerikana dia manolo-tena bebe kokoa amin'ny fampihenana ny fahantrana, ny hanoanana ary ny tsy fanjariantsakafo eto Madagasikara", hoy ny Ambasadaoro Pierangelo taorian’ny fitsidihana izay nataony. "Nandritra ity dia ity no nahitako fomba vaovao sy mahomby hamahana ny fototry ny fahantrana sy ireo olana maro samihafa mety aterak’izany", hoy izy. “Nahita ny hakanton’i Madagasikara aho ary nahatsapa ny herim-pon’ny mponina izay nihaona tamiko ihany koa”, hoy ny Ambasadaoro. “Faly aho fa mbola afaka manampy an’i Madagasikara hiatrika ireo olana maro atrehany ireo hatrany ny governemanta amerikana”, hoy hatrany io diplaomaty io. Nanomboka ny taona 2015, dia nanolotra vola mitentina 346 tapitrisa dolara ho an’ny fanampiana vonjy taitra sy ny fampandrosoana ho an’ny faritra atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara i Etazonia, hoy ny fanazavana
Toky R 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap