airtel

Sosialy

03-févr-2022

Sosialy

Ambohimangakely Misy fanariam-pako mampitaraina vahoaka

Sample post image

Misy ny antso fanairana noho ny tsy fanajàna ny fahadiovana sy ny tontolo iainan'ny mponina ao anatin'ny kaominina Ambohimangakely amin’izao fotoana izao

03-févr-2022

. Efa am-bolana mantsy izao no nataon'ny Kaominina toeram-panariam-pako izay taterin'ny fiaraben'izy ireo isan'andro ny faritra iray eo anelanelan'Ikianja Avaratra sy Ambohitrombihavana, samy ao anatin'ny kaominina Ambohimangakely. Fako amin'ny karazany rehetra no arian-dry zareo ao isan'andro. Tsy manara-penitra anefa ny toerana fa malaladalaka fotsiny dia ampiasain'izy ireo tsy misy fiarovana amin'ny mety ho fiparitahan'ny loto sy fofona, indrindra amin'izao fotoam-pahavaratra izao, hoy ny fanamarihana. Marihana fa ao anatin'ity kaominina ity no misy ny tobin'Andralanitra, izay anariana an'ireo fakon'Antananarivo. Tsy fantatra aloha na efa tsy afaka mampiasa azy io intsony ny kaominina Ambohimangakely na tsia, ka anton'izao hampiasan'izy ireo toeran-kafa amin'ny fanariany ny fakon'ny kaominina izao. Tsy mbola namoahana na naharaisana fanapahan-kevitra kaominaly ihany koa ny fisian'ny toeram-panariana fako vaovaon'ny kaominina Ambohimangakely. Torohan'ny mponina sasany kosa izao finiavana manaonao foana tsy manaja ny fenitra amin'ny fampiasana/fanamboarana toby fanariam-pako tsy am-piheverana izao. Raha ny angom-baovao natao teny an-toerana dia tanin'olon-tsotra io ampiasain'ny kaominina io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap