airtel

Sosialy

30-nov-2021

Sosialy

Analanjirofo 10 andro taorian’ny taom-piotazana dia lany ny lodsia

Sample post image

Tsy tena azo nantenaina ny vokatra lodisia tany amin’ny Faritra Analanjirofo tamin’ity taona ity raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny faritra ny Dr Randriamanantena Marcellin.

30-nov-2021

10 andro taorian’ny taom-piotazana monja mantsy izany dia lany, zakana sambo miisa 2. Ankoatra izay hoy ity lehiben’ny faritra ity dia tsy nahafa-po loatra ny vokatra noho ny tsy fahampian’ny ranon’orana izay antoka iray tena mampitombo azy ireny. 48 ora aorian’ny hiotazana ny lodisia hoy izy dia efa miova ihany koa ny endriny ka miteraka fatiantoka goavana raha tsy hay ny miaro sy mitahiry azy.Ny jirofo sisa araka izany no mba hany fanantenan’ny mponina any amin’iny faritra iny. Raha 18.000 Ar mantsy no vidin’ny jirofo iray kilao maina teo aloha dia efa tafakatra 23.000 izany ankehitriny. Na izany aza anisan’ny fahavalon’ny jirofo kosa raha araka ny fanazavany ny rivo-doza. Raha misy jirofo iray tapaky ny rivotra sy ny orana mantsy hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity dia afaka efa-taona indray izany vao mety ho tafarina raha tsy hay ny miaro sy mikoja izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap